Olona 150000 very vola tamin’ny QC Star

Nitory an’ilay teratany Malagasy atidoha


  • Alakamisy 04 Janoary 2024

Tonga nametraka fitoriana tetsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy

ireo solontenan’ny lasibatra tamin’ilay Plateforme QC Star omaly 03 janoary 2023. Tsiahivina fa ny 17 desambra 2023 no nikatona tanteraka ny tranonkalan’io QC Star io. Tsy nisy afaka nisintona ny volany intsony ireo nanana petra-bola niasa tao antiny, manodidina ny 150000 ireo lasibatra, ka mety hatrany amin’ny miliara ny vola very. « Mahatsiaro voafitaka sy voambaka izahay ! Nivahiny tao amin’ny RNM ny tompon’andraikitrab ary anananay arsiva, nilaza izy fa tompon’andraikitry ny QC Star eto Madagasikara. Anisan’ny nandresy lahatra anay izay satria haino aman-jerim-panjakana no nampiasaina nanao dokam-barotra, ary nohamafisiny tsara fa mitsangana ara-dalàna ary neken’ny Fanjakana Malagasy fa mipetraka eto Madagasikara io QC Star io », hoy i Lova Mpitondra tenin’ireo lasibatra. Nisy ihany koa ny hetsika lehibe fampahafantarana natao teny amin’ny Palais des sports Mahamasina sy ny CCI Ivato ary tany amin’ny faritany, ka raha izay no ilazana fa vendrana anay, dia tena vendrana izany izahay, hoy hatrany ny solontenan’ny voafitaka. Ilay teratany Malagasy nilaza fa tompon’andraikitry ny QC Star eto moa no torian’izy ireo voalohany. Miantso ny rafitra rehetra afaka manenjika ireo mpanao ratsy noho izany ireo lasibatra, izay nanao fanangonan-tsonia, izay naneho fa misy ny porofo sy anarana efa eo am-pelantanan’izy ireo momba ny lohan’ny mpisorona tamin’ity fanambakana ny Malagasy ity. Raha hiverenana, dia karazana asa sy fametrahana petra-bola izy io, ka nolazaina fa rehefa mipetraka ny vola izay hividianana robot ka io «intelligence artificielle » io no nolazaina fa miasa mampitombo sy mivarotra azy, nolazaina fa herintaona eo vao tena miverina ny vola, saingy miteraka zanany 4000 hatramin’ny 90000Ar na mihoatra arakaraka ny petra-bola, izay miainga amin’ny 25Dolara. Talohan’io QC Star io, dia efa nisy teto ny Antares, Marcopauline,… izay efa nahavoa ny Malagasy. Fanararaotana ny Malagasy amin’ny fahantrany sy fahasahiranany itony, fa voka-dratsin’ny fitezana ny olona halaina hisasatra sy hihary am-pahamarinana fa zarina hiandry mahazo, miandry tolotolotra sy hiantehitra amin’ny kimoramora sy kisendrasendra ihany koa. Samia mailo manomboka izao !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT