Olobe any Fitovinany

« Toherinay ny fitrandrahana fasimainty sy ny forongony »


  • Zoma 20 Jona 2025

Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa

tsy ekena ny fitrandrahana fasimainty sy ny forongony ao an-toerana. Araka ny fivoriana natao teto Manakara ny 17 jona teo, izay natrehin’ireo Raiamandreny ara-bako, Ndregnony 4 tonta sy ny lefiny ary ireo Randriambe isaky ny tanàna ato anatin’ny faritra izay manomboka any Namorona, Manakara ka hatrany Matatagna Vohipeno ary mipaka any Ikongo, hoy ity taratasy ity, dia niarahana nanapaka tamin’ny vahoaka fa tsy ankasitrahana ny hanatanterahana ny fitrandrahana ny fasi-mainty ao amin’ny faritra. Nanatrika ny fivoriana ny Ndrenogny Ramahasitrakarivo, Ratsitakonarivo, Rakotobenarivo, Ndremanantosalama. Mbola hamafisina mafy, hoy izy ireo, ny tsitsika izay nataonay ny taona 2013, teny amin’ny lapa Fenovola Ivato Vohipeno. Tsy ekena ny fampiasana vahiny hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany ato amin’ny faritra Fitovinany. Ampahafantarina ho ren-tany, ren-danitra fa tsy ekena ary toherina marindrano ny fitrandrahana izany fasimainty izany. Ampandrenesina ianareo mpitondra fanjakàna sy olom-boafidy mety ho azon’ny fankampanahy hamela ny fidiran’izany ato, fa indrindra anareo zanakay ato amin’ny faritra, hoy hatrany ity taratasy ity. Niara-nanao sonia ity fanambaràna ity moa ireo Ndrenogny 4 mirahalahy sy ny mpanjakan’Ikongo. Raha somary mangingina dia manomboka miverina mangotraka indray izany ny fanoherana sy fanakanana ny tetikasa fitrandrahana fasimainty, izay mbola miteraka fifandirana noho ny ambana samihafa : ara-tontolo iainana, fahasalamana, fiarahamonina, kolontsaina,…
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT