Olivier Vallée mpandinika manokana an’i Madagasikara

« Tsy toy ny fanonganam-panjakana


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

nisy ra mandriaka toy ny 2009 io »

Mpandinika vahiny voalohany isan’ny naneho hevitra mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara i Olivier Vallée mpandinika ara-toekerana sy ara-politika. Anisan’ny nandalina ny mikasika an’i Madagasikara ny tenany. Nasiany resaka tao amin’ny France 24 ny fiovam-pitantanana, dia ny fandraisan’ny miaramila ny fahefana. Ampahany lehibe amin’io no nilazany, fa « tsy mitovy amin’ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 no nitranga. Fandraisana fahefana maka endrika mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana noho ny fialan’ny Filoha amin’ny endrika fanonganana nataon’ny 2/3 amin’ny mpikamban’ny antenimierampirenena izay voafaritry ny lalàmpanorenena ». Nankatoavin’ny HCC ihany noho ny fahabangan-toeran’ny Filoham-pirenena. « Fahefana tsy toy ny fanonganam-panjakana mahazatra, tsy niainga tamin’ny faty olona sy fandatsahan-dra », raha ny fanazavany. Nohamarinin’ny Antenimierampirenena ny fahabangana, izay fahefany ny manongana. Very ny fanohanana an’i Andry Rajoelina, tsy misy mpanohana na avy amin’ny tafika, na avy amin’ny fanohanana avy amin’ny vahoaka, ka nahatonga azy handao ny Firenena. Malemy ny fanohanan’ny jeneraly Ravalomanana izay nanana dian-tanana tao amin’ny zandarimaria, very ny fanohanan’ny mpandraharaha matanjaka Mamy Ravatomanga izay efa niala ny Firenena,… Nialoha an’io, efa nilaza i Olivier Vallée taoriana kelin’ny 25 septambra fa manana milisy matanjaka noho ireo polisy eto Antananarivo i Mamy Ravatomanga, Frantsay no misahana ireo milisy ireo mba hiambina manokana azy. Mifanampy ireo na hatramin'ny fanohanana tamin'ny fifidianana aza fa tamin'ity dia nentiny nisetrasetra tamin'ny famonoana olona ireo milisy, hoy i Olivier Vallée. Manana ny milisiny ihany koa sady manana mpiaro azy Rajoelinaa dia ireo zandary izay mbola baikoin'ny jeneraly Ravalomanana, Sady filohan'ny sénat no mpanentana ny zandary eny ankianja ihany koa. Tsy niditra firy ny miaramila na dia hoe nanakana tamin'ireo fandrobana aza, mbola sarotra ny raharaha satria tena misy hetsibahoaka goavana amin'izao , tamin'ny 2009 tsy hetsi-bahoaka goavana no nisy fa ny tafika no niasa mafy dia avy eo nandray an-tanana ny fitondrana, fa amin'ity miasa ihany koa ny tafika fa mety tsy hahazo fitondrana ary Raha sanatria tsy ho azony ilay fitondrana dia manahy izy fa ho henjana noho ny tamin'ny 2009 ny raharaha, hoy hatrany i Olivier Vallée taoriana kelin’ny 25 septambra. Dia niarahantsika nahita ny tohiny…

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT