Olan’ny solika

Mahatsiarotsiaro ny Solima daholo!


  • Talata 16 Jolay 2024

Mahatsiarotsiaro ny Solima na ny orinasa mpandrinjara solika «Solitany malagasy»

daholo ankehitriny manoloana ity olan’ny solika eto amin’ny firenena ity! Manambana ny hiakatra io izany vidin-tsolika izany. Fiakaram-bidy izay sarotra inoana hoe tsy hitarika any amin’ny fidanganan’ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny fiakaran’ny vidin-javatra eny an-tsena ihany koa. Io moa izao fa efa manambana hampiakatra saran-dalana sahady ireo mpitatitra ary raha ny fanazavan’izy ireo dia tsy noho ny anton’izay fiakaran’ny vidin-tsolika mety ho atsy ho atsy izay fotsiny fa eo indrindra ihany koa ny halafon’ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana ny fiara satria dia tena manimba fiara izay tsy izy ity haratsian-dalana ity. Hadisoana goavana ny namotehana ny Solima tamin’ny fotoan’androny, hoy ny antoko politika iray naneho ny heviny, fa ankehitriny kosa isika dia manana fahafahana indray hanangana orinasa mpanjinjara solika na tobin-tsolika ho antsika, raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian’io menaka mavesatra ao Tsimiroro io fotsiny. Ny Solima moa, raha fintinina fohy ny tantarany, dia orinasa malagasy sy tobin-tsolika na fitsinjarana solika noraisin’ny fanjakana malagasy an-tanana ny fitantanana azy ny taona 1976, tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana 76-020 bis ny 25 jona 1976. Nanjaka tokana izy hatramin’ny janoary 1993 ary ny hitsivolana 93-002 ny 8 janoary 1993 izay narahana didim-pitondrana fampiharana laharana faha 93-136 ny 24 martsa 1993 no nanome fahalalahana na «libération» ny fifaninanana tamin’ity orinasa mpanjinjara solika malagasy tamin’ny fotoan’androny ity. Tonga hatrany amin’ny fanomezana ny Solima ho tantanan’ny sehatra tsy miankina ny taona 1999 sy ny fanavaozana izany fifanarahana izany ny taona 2004 moa izany taty aoriana ary dia io lasa anjakana orinasa vahiny miisa 4 io ankehitriny izay tsenan’ny solika eto Madagasikara izay. Sanatria ho atao toy ny Solima koa ve ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy, izay mbola voalaza ho orinasam-panjakana aloha hatreto?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT