Actualités

Olan’ny orinasa SECREN “Tsy fampiharana fitsinjaram-pahefana no antony”


  • Talata 28 Martsa 2023

Miezaka mampahafantatra ny vinam-piarahamonina hahafahana mampandrosoana an’i Madagasikara ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM amin’ny fitetezam-paritra ataony, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo.

Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohan’ny antoko, Hajo Andrianainarivelo, izay namoaboasana ny hoe « Fitsinjaram-pahefanana eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny toekarena » tao amin’ny Hotel de la poste ny faran’ny herinandro teo. Tsapan’ny mpizaika fa vokatry ny tsy fampiharana araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana no mahatonga ny olan’ny orinasa SECREN, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ny fahalalahan'ny olompirenena mandraharaha sy mandray andraikitra dia endriky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny mahaolona izay imasoan'ny fotokevitra “démocrate centriste”, hoy ny MMM. Ilaina ihany koa ny fahaizana "négociation" na fandresen-dahatra sy "planification" na fametrahana paikady ho an'ny mpitarika isan'ambaratongany hisarihana ireo mpampiasa vola ka hiteraka asa ho an'ny isan-tokantrano. Resy lahatra amin'izany isika ka nametraka ny “Institut National de la Décentralisation et du Développement Local” na INDDL mba ahafahan'ny olom-boafidy sy olom-boatendry manamafy ny fahaiza-manaony ary ho azo antoka eo anatrehan'ny mpiara-miombon'antoka rehetra. Ireo no lohahevitra noresahanay teto Antsiranana nandritra ny famelabelaran-kevitra sy adihevitra, hoy hatrany ny MMM.
(Tahirin-tsary)
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT