Olan’ny JIRAMA

Ny trosa misavovona, ny fatiantoka mitombo…


  • Zoma 12 Jolay 2024

Misavovona hatrany amin’ny 1500 miliara Ariary izany izao ny trosan’ny orinasa Jiro

sy rano malagasy na JIRAMA. Ny tale jeneraly, Ron Weiss, izay voalaza fa manam-pahaizana israelianina mandray karama 14.000 Dolara na 56.000.000 Ariary, izany hoe, 2.800.000.000 iraimbilanja isam-bolana moa no nanamafy izany ny alarobia teo. Araka izany dia azo lazaina fa ny trosa misavovona, ny fatiantoka mitombo ihany koa satria dia na karamaina volabe tahaka izany aza ity tekinisianina ity dia mbola tsy hita manangasanga hatreto ny vahaolana nentiny tao anatin’izay 2 volana nandraisany ny toerana maha tale jeneralin’ity orinasa malagasy ity azy izay. Ny talata teo no nambara fa tonga tao Toamasina ny solika hahafahana manodina ny herinaratra araka ny tokony ho izy ary tokony tsy hisy intsony, raha ny fanazavan’ity nafarana avy any Israely ity hatrany, manomboka anio izany delestazy izany taorian’izay 2 andro namaivay tamin’ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny izay. Mazava ho azy fa fihariana maro indray no potika tao anatin’izany. Asa maro no taraiky na voatery najanona mihitsy. Efa nampahatsiahivina sy nitarainan’ireo olompirenena voakasika mivantana amin’izany foana moa izany. Isany ireo toeram-pikolokoloana endrika amam-bika, ireo tsenana enta-madinika mila mitahiry sakafo anaty vata fampangatsiahana, ireo toerana fikirakirana tekinolojia na Cybercafé sy ny maro hafa tsy voatanisa. Asa hoe hanao ahoana tokoa manomboka anio!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT