Actualités

Olan’ny JIRAMA Mitohy ny ampamoaka, ny vahaolana tsy apoitra


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Omena ny tsy miankina hoe ny JIRAMA, hoy ny fanontaniana napetrak’ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera Mahery Lanto Manandafy na Malama,

raha ny hafatra voalaza fa nampitainy tamin’ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, indray, satria moa izy mbola any am-ponja? Mba zavatra matotra resahina, hoy i Malama. Voalohany aloha mba jereo ilay «état financier passif» na toe-bola tsy mihetsika! 1600 miliara Ariary no henoko farany. Iza no hividy orinasa mibaby trosa be ohatran'izany? Faharoa ny «retour sur investissement» na fitantanam-bola, raha ny Jirama amin'izao mamokatra «recette» vola miditra manodidina ny 60 miliara FMG na 12 miliara Ariary isam-bolana noho ny fahanteran'ny milina mbola misy lavaka manodidina ny 45 miliara FMG na 9 miliara Ariary. Raha ny filana 400 MM ilain'Antananarivo fotsiny dia efa tombanana 900 tapitrisa Dolara. Tsy mila «expert comptable» na katraka amin’ny fanisam-bola dia fantatra fa sarotra ny hanaovana «placement» na hetsika amin'izany fa ny tena olana goavana indrindra dia eo amin'ny fitokisana. Efa nisy «incidence» na fanafitohinana maromaro isika. Symbion power, izay efa nanao vava mihitsy moa tany Afrika atsimo fa hankalazainy eran'izao tontolo izao fa firenena mikatramo i Madagasikara. Fraise, Tozzi green, Jovenna, raha ny resaka angovo fotsiny. Ny famerenana an'iny fahatokisana iny aman-taonany maro. «Administration» na fitantanana Rajoelina aloha aza miresaka an’izany intsony fa efa be loatra ny «dégâts» na famotehana nataonareo teto amin'ity Madagasikara ity! Na mba notohizanareo fotsiny ny «transition énergétique» na fitohizan’asa momba ny angovo natomboky ny filoha Rajaonarimampianina, tsy ohatran'izao Madagasikara ka dia zakao ao ny vokany. Ao aloha mitsipatsipaka miala aina ao, hoy hatrany ny tenany. Nanao ampamoaka koa moa ny depiote Roland Ratsiraka ny zoma teo fa manodidina ny 50 tapitrisa Dolara ny vola voahodinkodina isan-taona ao amin’ny JIRAMA ary efa nanomboka tany amin’ny fitondrana tetezamita 2009. Inona moa izany no tena sakana mahatonga ny fitondram-panjakana tsy amela malalaka ny orinasa mpamokatra angovo hafa hamatsy ireo tokantrano vonona hanjifa izany hifaninana amin’ity Jiro sy rano malagasy na JIRAMA ity? Mitohy hatrany ny ampamoaka fa ny vahaolana tsy apoitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT