Olan’ny herinaratra

Niha niverina sahady Na teo aza ny fampantenana ny


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

amin’ny fanenana 80% ny delestazy eto Antananarivo

dia efa niha niverina sahady indray ny olan’ny herinaratra teto an-drenivohitra. Na teo aza ny fandaharana manokan’ny filoham-pirenena sy ny fanokanana 300 tapitrisa Ariary ho fanavotana vetivety ny olan’ny JIRAMA sy ny filazàna fa samy hakàna daholo ny volan’ireo rafitra hafa rehetra fa tsy ny fanabeazana ihany mba hamahana izany olan’ny herinaratra sy rano izany dia tsy ampy herinandro akory dia io efa miha miverina io sahady ny olana. Azo ambara ho efa saika samy nanampo izay hitranga daholo ihany moa ireo mpandinika raharaham-pirenena samihafa na mpahaitoekarena io na mpanao politika na mpitantana teo aloha ity orinasam-panjakana mpamatsy herinaratra sy rano ity fa tsy haharitra ny vahaolana natolotry ny filoham-pirenena. Niaraha-nahita teo ny tsy fahafalian’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina mikasika ny olan’ny rano, izay niafara tamin’ny fanjeràna ireo sinibe na «bombonnes» mihitsy satria tsy nahasehaka ny filàn’ireo mponina, toy ny teny Amboditsiry, ohatra, ny rano tao anatiny. Ny resaka herinaratra moa dia nifandimbiasan’ireo fokontany mihitsy ny fandoroana kodiarana teny an’arabe isan-kariva. Manana ny vahaolana maharitrany manokana ve izany io filoham-pirenena izay milaza ankehitriny fa mbola vahaolana maika aloha ireny natolony ireny sa sao dia mba tokony handray ny vahaolan’ireo manam-pahaizana sy tekinisianina samihafa mba efa niezaka nanolotra izany ireny ihany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT