Olan’ny herinaratra

Miha mampanahy hatrany


  • Talata 12 Aogositra 2025

Miha mampanahy hatrany ankehitriny ity olan’ny herinaratra eto amin’ny firenena ity,

raha ny fitarainan’ireo olompirenena izay saika miverina isan’andro indray. Ho an’ny teto Antananarivo renivohitra, raha ny omaly no resahina, dia tsikaritra ho tsy nety tafatombina mihitsy ny faharetan’izany ny tapany maraina. Tapaka mandritra ny 3 minitra eo dia miverina mandritry ny 4 minitra. Tapaka 4 minitra indray dia miverina 1 minitra. Efa ho im-polo fara-faha keliny toy izany foana, hoy hatrany ireo menomenona sy taraina voaray hatreny amin’ny tambazotran-tserasera samihafa eny. Jerena nefa etsy ankilany ny fandrindràna ny fiasan’izany herinaratra izany na irony «stabilisateur» irony, ho an’ireo izay manana fahafahana mampiasa azy ireny na koa voatery mampiasa izany moa, dia hita fa tena ambony be na miverina ambony be foana ny tahan’ny famatsiana izay herinaratra izay rehefa miverina ilay herinaratra. Zary fanontaniana fametraka matetika tato ho ato sy ankehitriny ny hoe mbola azo inoana ho avotra ve ity hany sisa misoratra ho orinasam-panjakàna antsoina hoe JIRAMA ity sa sanatria tsy misy ho antenaina intsony ny momba azy? Mampanahy tanteraka!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT