Olan’ny herinaratra

Manimba fihariana, mampitarazoka asa, manimba fitaovana…


  • Zoma 10 Janoary 2025

Zary efa mahazatra ireo manodidina ny 15%n’ny malagasy izay lazaina ho misitraka herinaratra eto

amin’ny firenena ankehitriny ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy. Na miverina aza ny herinaratra dia tsikaritra ho mbola ambany ny tanjaka ahafahana misitraka izay angovo azo avy amin’ny herinaratra izay. Ireo mampiasa fandanjana herinaratra na «stabilisateur» ao an-tokantrano dia isan’ny mahatsikaritra izany. Matetika tsy mahatratra ilay tanjaka 220 Volt tokony ho fehezina na arindran’ilay «stabilisateur» akory ny tanjakana herinaratra tongan’ny JIRAMA ao amina tokantrano iray fa tena latsaka be any amin’ny 201 na 178 Volt any mihitsy. Ho an’ireo tsy manana izay fandanjana na fifehezana herinaratra izay moa dia mitarika an’ny amin’ny fahasimban’ireo fitaovana fampiasa amin’ny herinaratra ao an-tokantrano toy ny vata fampangatsiahana sy finday mihitsy izany. Rehefa tsy izay dia potika, mitsonika, misy fofona ny sakafo notehirizina tanatin’ireny vata fampangatsiahana ireny. Iharana fahasimbana tahaka izany koa ny solosaina sy ny fitaovana fampiasa amin’ireny toerana fikoloana endrika amam-bika ireny, izay tsy mandeha rahateo ihany koa moa rehefa tapaka ny herinaratra. Manimba fihariana, mampitarazoka asa, manimba fitaovana, manimba filàn’ny olompirenena maro ity olan’ny herinaratra tsy mety voavaha sy misoko miadana ity indray ny vaikany amin’izao fotoana izao, araka izany, raha fehezina.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT