Olan’ny angovo eto Madagasikara

« Delestazin’ny fahantrana fa tsy delestazy teknika »


  • Alakamisy 30 Janoary 2025

Na miteny aza isika fa misy daholo maneran-tany, tsy mitovy daholo ny delestazy.

Ny Filoha Malagasy izay nilaza moa fa tsy eto Madagasikara ihany no misy delestazy, fa iraisan’ny rehetra indrindra aty Afrika. Ny an’olona mety delestazy teknika, fa ny antsika delestazin’ny fahantrana, hoy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama teo aloha Atoa Gérard Andrialemirovason tao amin’ny haino aman-jery iray omaly. Tsy takatra ny vidiny noho ny « verité de prix », izay kely no vokarina, izay takatry ny tohana ara-bola na « subvention », ka tsy delestazy teknika, fa delestazin’ny fahantrana, mitaky vahaolana ara-toekarana sy sosialy, raha ny nambarany. Na mampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy hahatakatra ny Jirama, na manao sary indostrialy vaovao mihitsy eo anivon’ny Jirama dia mba ho zakan’ny vahoaka. Nametra-panontaniana ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity hoe : fanekena na « engagement » hatrany amin’ny 7,4 miliara ve ho zakan’ny toekarena Malagasy. 40% amin’ny toekerana eto mantsy izany raha ny nambarany. Mahatratra 6% amin’ny harin-karena, kanefa ny fiakaran’ny PIB ho an’ny taona 2025 aza 5% ka ahoana no hividianana izany ? hoy izy. Nomarihiny fa tamin’ny fananganana an’Andekaleka dia voaloan’ny Jirama ny fanonerana azy ka nanamafisany hoe :ho zakan’ny toekarentsika ve ity? Marihina moa fa ao anatin’ny 6 taona no heverin’ny Fanjakana fa hampiasana 7,2 miliara dolara amin’ny fampisitrahana angovo azo milamina ny 80% amin’ny Malagasy anatin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina. 10% avy amin’ny Fanjakana madiodio, 30% trosa na « subvention » avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, 60% avy amin’ny sehatra tsy miankina. Manontany io tompon’andraikitra ambony io hoe : ho zakan’ny toekarentsika ve, fa ny fanontaniana hafa mbola manitikitika anefa dia hoe : tena hahita sy hisy hanome an’ireo volabe ireo ve eo anatrehan’ny fahalemen’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny lafiny fifandresen-dahatra ara-stratejika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT