Actualités

Olana ara-tany namonjana olona miisa 8 Tao Morombe fa tsy Ihorombe


  • Talata 30 Mey 2023

Tao amin’ny kaominin’Ambahikily, distrikan’i Morombe fa tsy Ihorombe, hoy ny fanitsiana voaray,

no nitrangan’ilay fisamborana sy famonjana olona miisa 8 mampifandrirotra ny governoran’Atsimo andrefana sy ireo mponina ao an-toerana. Resaka fananganana foto-drafitrasa amina toerana efa misy manajary an-taonany maro moa no fototry ny olana, raha ny fanazavan’ny Fikambanana Masikoro Arivolahy, sampana Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Ireto farany izay nampahatsiahy fa ny lalàna vaovao mikasika ny fananan-tany eto amintsika dia milaza fa anjaran’ny fitondram-panjakana na fanjakana malagasy no manampy ireo olompirenena nanazary tany hahazo ny «titre» na taratasy maha tompon’ny tany rehefa feno 5 taona ny faharetan’ny nanajarian’ilay olompirenena ny tany. Mazava ho azy, mitaky ny hamoahana ireo olona miisa 8 nofonjaina noho ny ady nataony hiarovana ny taniny koa ity fikambanana ity, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT