Olana ara-tany

ao Ranovao, Manjakandriana


  • Zoma 06 Martsa 2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Ny septambra 2024 no niantso ahy ny filohan’ny fikambananay ao amin’ny CJDHP na «Clubs des Juristes défenseurs des droits de l’homme et du peuple», izany hoe fikambanan’ireo mpahay lalàna miaro ny zon’olombelona, fa misy fihaonana ao amin’ny kaomisarian’i Manjakandriana ka ny kaomiseran’ny Polisy ao no mampihaona ny tompon’ny tany Durand Devillaine TN 10.497-G ao amin’ny fokontanin’Antampolana sy Antsahambavy, kaominina ambanivohitr’i Ranovao, distrikan’i Manjakandriana, amin’ny vahoaka mpanamaintimolaly ny toerana, hoy ny mpiaro ny zon’olombelona sady mpahay lalàna, izay sady nisolo tena ireo mponina teto Antananarivo, Anselme Rasolofomanana. Nitady ny fomba rehetra, hoy izy, ny mpandova ifanarahana amin’ireo nanamaintimolaly mba iaraha-misitraka ny tany. Tsy nanaiky ilay vahoaka satria nisy olona efa 50 taona no tao. 30 taona ny ankabeazany. Herim-po nandritry ny 30 taona ve dia hisitrahan’olona tsy namboly na hazo 1 fototra aza hoy ireo mponina? Nilaza ny hiditra amin’ny PA na «Prescription acquisitive», izany hoe, fangatahana fizakàn-tany ireo mponina. Andro vitsivitsy taorian’ny fihaonana, rehefa tsy nahomby ny fihaonana tao amin’ny kaomisaria dia nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra hoe nolavina ilay PA. Ny hitsivolana 74.021 ny 20 jona 1974 no natoro tamin’ny vahoaka hoe azo ampiharina amin’io toe-draharaha io satria feno ny fepetra. Ianareo tsy nisy nanelingelina tao anatin’ny 30 taona. Ny tompon’ny tany tsy nampiasa ny tany tao anatin’ny 50 hoy ny fanazavanareo. Hanao fangatahana ampidirina any amin’ny minisitera isika satria miantona ny PA. Izay indray no lalana neritreretina hitondràna ny raharaha ka ny 16 jona 2025 no tafapetraka tao amin’ny minisiteran’ny fananan-tany ny fangatahana. Efa any amin’ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany izao ny dosie. Mijaly ireo vahoaka satria fitaintainana, fihorohoroana, fampijaliana lava no natao tamin’ireo vahoaka mpanamaintimolaly. Nisy fotoana, 3 volana ireo vahoaka ireo tsy natory an-trano satria nisy polisy sy zandary nidina tany an-toerana nisambotra ireo vahoaka ireo. Ny tompon’ny titra hoy izy manan-jo amin’ilay tany fa ianareo tsy manana taratasy na inona ka ho samborina. Misy tera-bao tamin’ireo vahoaka ireo fa natory tany an-tsaha. Nisy fotoana nelohina ho nandoro tanety ny olona iray. Rehefa nampidina vadintany nefa ireo vahoaka ireo, tsy nisy akory ilay tanety may. Nampahafantarina ny tao amin’ny kaomisaria fa tsy nisy tanety nodorana izany. Inona izany no itazonana ireo olona ireo? Nodorana ny tanety taty aoriana itazonana ireo olona. Saribaon’olona tonga dia giazana fotsiny. Misy manana titra ara-dalàna ivelan’ny Durand Devillaine ireo olona ireo fa nalaina ny taniny. Lasa fitaovana fampihorohoroana vahoaka ny tandroka aron’ny vozona natao hiaro ny vahoaka. Mampahafantatra ny fitondràm-panjakàna, noho izany, ny mponina sy ny mpiaro ny zon’olombelona fa misy tsy fahamarinana sy tsy rariny mikasika ity aditany ao an-toerana ity. Nitory noho ny resaka «expulsion abusive» na fanalàna ny olona amin’ny tsy rariny ireo mponina ireo tany amin’ny kaomisarian’i Manjakandriana. Nisy fitoriana napetraka koa mikasika ny fikapàna tsy ara-dalàna ny hazon’ireo mponina nataon’ny mpandova. 17 volana nilona ao amin’ny borigady misahana fikarohana ao fotsiny nefa izany. Miandrandra ny fitondràm-panjakàna, indrindra, ny minisiteran’ny fitsaràna hijery manokana ity raharaha ity. Izay tsy manaiky ny tian’ny mpandova atao dia voasambotra, hoy hatrany ity mpiaro ny zon’olombelona ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT