Actualités

Olana ara-pitiavana Raim-pianakaviana maty notsatohan’ny sakaizany ny antsy


  • Zoma 19 Aprily 2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

distrikan’i Mahajanga II. Adin'ny samy mpivady ny Talata tolakandro teo no niatombohan’ny tantara raha ny vaovao azo. Olana ara-pitiavana no nifamaliana ka rehefa nihitatra izany dia notsatohan-dramatoa sakaizany antsy ilay rangahy. Mbola nentina notsaboina niatrika fandidina teny amin'ny hopitaly Itompokolahy saingy ora vitsy taorin'izay dia tsy tana intsony ny ainy. Mpamily manao ny zotra nasionaly mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo ary Mahajanga sy Antsiranana Itompokolahy, raha tsiahivina. 30 taona no mihoatra izao no niasa tao amin'ny koperativa kofmad, hoy ny vaovao. Noho ny fangatahan'ireo namana sy mpiara-miasa akaiky aminy dia nandrasana tao amin'ny tobi-piantsonana nasionaly Aranta ny nofo mangatsiakany afak’omaly alina. Efa tonga tany an-toerana rahateo ny fianakaviny vao naheno ny fahafatesany ka naka nitondra azy eto an-drenivohitra omaly Alakamisy 18 Aprily. Efa notazomina eny anivon'ny mpitandro ny filaminana hatao famotorana kosa ilay Ramatoa ary hatolotra ny fampanoavana amin’ity faran’ny herinandro ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Mpiasan’ny koperativa efa tranainy indrindra teto Mahajanga Ratompokolahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT