Taorian’ny fihaonany tamin’ny filoham-pirenena, ny antenimierandoholona, ny antenimieram-pirenena, dia tonga nitsidika ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Chabani Nourdine teny amin’ny toeram-piasany teny Ambohidahy ireo parlemantea Britanika,
tarihin’ny depiote Tim Loughton omaly. Nivoitra tamin’ny fihaonan’ny roa tonta ny ny hanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Royaume Uni. Niombon-kevitra ny roa tonta fa tokony hisy ny fihaonana eo amin’ny teknisianina Malagasy sy Britanika hijerena ny fenitra eo amin’ny vokatra hifanaovana fifanakalozana ara-barotra hahafahana manatsara sy mivelatra bebe kokoa. Nanamarika ihany koa ireo vahiny fa manana tany midadasika hahafahana mamokatra i Madagasikara kanefa mbola manafatra zavatra avy any ivelany, ka nametra-panontaniana izy ireo hoe : inona no anton’ny tsy fahampian’ny vokatra eto amintsika ? Tapaka ary fa hiaraha-mijery izay olana izay, ary hatsaraina miandalana ny resaka famokarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.