Nanomboka ny alarobia teo ary mbola nitohy omaly alakamisy ny fiparitahana trakta ao Toamasina renivohitra. Tao anatin’ny 2 volana teo, izany hoe taorian’ny fametrahana ny PDS lefitra voalohany sy ny PDS lefitra faharoa
dia nanomboka nisy ny olana teo amin’ny mpiasa sy ny mpitantana ny kaominina. Manomboka mirehitra ilay “afo mololo” ankehitriny indrindra hatramin’ny nisian’ilay drafi-pitantanana vaovao natolotra izy ireo teo anivon’ny mpanolo-tsaina farany teo, izay manova ny tale eo anivon’ny kaominina ho 10 raha 07 teo aloha, sy ny fampihenana ny andraikitry ny sekretera jeneralin’ny kaominina, ary manafoana ny asan’ireo “inspecteurs” miisa 03 izay novaina ho mpisahana ny “tsenam-panjakana” eo anivon’ny kaominina indray. Tsy ilay fanovana anefa no olana mahatonga ny raharaha “mangotraka”, fa ny “ho fanoloana” ireo tale sy ny fametrahana ny olon’ny “HVM”, hoy ireo mpiasa naneho ny heviny. Ho an’ity PDS lefitra faharoa kosa dia ho fanatsarana sy fanafainganana ary fisian’ny fitantanana tsara ny volam-bahoaka, no tsy maintsy nanaovana ny fanovana fa tsy ho fanoloana olona na fandroahana mpiasa izany. Samy manana ny fijerin’ny zava-misy ny andaniny sy ny ankilany, fa ny hita aloha dia maro ireo tale matahotra ho very seza, ireo PDS 03 mianadahy koa taorian’ny fahalanian’ny drafi-pandaminana teo anivon’ny mpanolo-tsaina dia tsy hihemotra amin’ny heveriny fa fanatsarana ny raharaha eo anivon’ny kaominin’i Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.