Mba tsy hisian’ny toy ny tetsy Ankadimbahoaka Antananarivo ka nahatonga fandravan-tranon’olona anaty andro ririnina dia manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa ankehitriny ny vahoaka any Fenoarivo Atsinanana....
Io no nambaran’ny CST teo aloha Impirina Jean de La Croix, mba ho tonga haingana any an-toerana hitsidika sy hamafa ny ranomasom-bahoaka noho ny fanagejan’olon-tokana ny tany mirefy 22ha ao Sahavola izay tanim-panjakana ary nisoratra tamin’ny ministeran’ny Fambolena. Tamin’ny taona 2008 no niverina ho tanim-panjakana ny tany ary tamin’ny taona 2009 dia nisy didim-panjakana (lah 49 122 /2009 ny 12 mey 2009) manome ny tany ny vahoaka ka mangataka dimy taona hanamaintisamolaly azy ny rehetra. Ankehitriny anefa dia ireo olona mahazo ary nanajary tany ka tao ny nanorina fotodrafitrasa ahitana fiangonana, tranom-panjakana, Kaoperativa izay mamelona olona 7000 no tetehina hoesorina ao. Manohitra an’izany tetika fibodoana tany izany ny vahoakan’i Fenoarivo Atsinanana na ny manan-tany na tsia, hoy i Impirina Jean de La Croix ka miandry vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.