Actualités

Olan’ny mpifanolo-bodirindrina Nanao fitokonana fanairana ny mpianatry ny ENS


  • Talata 02 Martsa 2010

Nampiseho firaisankina ireo mpianatra rehetra eo anivon’ny Ecole Nationale Supérieure (ENS) etsy Ampefiloha omaly.

 

Tsy nisy nianatra izy ireo ny tapak’andro maraina fa nanatanteraka fitokonana teo an-tokotanin’ny sekoly sy niara-nizotra teny amin’ny biraon’ny Talen’ny ANS na ny “Académie Nationale des Sports” avy eo, hanerena ity farany hamerina amin’ny ENS ny tranony. Raha ny fanazavan-dRasoanaivo René, talen’ny ENS, dia ny fibodoan’ny ANS ny trano nindraminy tamin’ny ENS tamin’ny fotoana nandraisantsika ny lalaon’ny nosy tamin’ny 2007 no nahatonga ireo mpianatra hitroatra. Araka ny fangatahan’ny Minisitry ny fanatanjahantena tamin’izany fotoana dia nanaiky hampindrana ny rihana faha-2 sy faha-3 an’ny ANS ny ENS mba handraisana ireo atleta handray anjara amin’ny lalao. Noho izay antony izay dia nafindra toerana vonjimaika teny amin’ny Institut National de Formation Pédagogique na INFP ireo mpianatra 49 mianadahy nonina tao.
 
Nisy ny fifanarahana mitondra ny laharana 07/35-MENRS/SG izay nosonivian’ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana ny 03 aprily 2007 izay milaza fa averina amin’ny tompony ny trano rehefa vita ny lalao. Tsy nisy tohiny intsony anefa io resaka io mialoha ity tranga ankehitriny ity. Noho ny asa fanamboarana izay tontosaina eo anivon’ny INFP dia nampilaza azy 49 mianadahy hiala amin’ny trano nonenany nandritra izay roa taona sy tapany izay ity farany. Araka izany dia nangataka tamin’ny talen’ny ENS ireto mpianatra ireto mba haverina amin’ny tranony fahiny izy ireo. Nifampiresaka ny tale roa tonta saingy tsy nahitam-bokany izany.
 
Samy mihizingizina amin’ny heviny izy ireo. Rasoanaivo René dia manamafy fa tokony haverina amin’ny ENS ny tranony araka ilay fifanarahana tamin’ny taona 2007 ; Ramanantsoa Exupert; talen’ny ANS koa dia milaza fa efa tsy manan-kery intsony io fifanarahana io. “Efa manana politika mazava momba ny hanaovana ity toerana ity ho Ivontoerana nasionaly handraisana ireo atleta avo lenta ny Minisiteran’ny fanatanjahantena ankehitriny satria ity ihany no fotodrafitrasa mahafeno izay fepetra izay manerana ny Nosy. Ankoatra izay dia manana ny taratasy ara-panjakana na situation juridique manamarina fa an’ny ANS ny tany sy ny trano ary mbola nohamafisiko ny fanavaozana io situation juridque io ny 03 aogositra 2009 teo anatrehan’ny fanjakana izany”, hoy Ramanantsoa Exupert. Manoloana ny hevitra roa mifanipaka tanteraka izay dia samy miantso ny Minisitra tompon’andraikitra avy ny ENS sy ny ANS hamaha ny olana. Ho an’ireo mpianatra dia tsy hisy ny fitokonana anio fa hianatra izy ireo. Ho hita eo ny tohiny.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT