Actualités

Olan’ny fananantany Nilanjan’ny olona sorabaventy i Hery Rajaonarimampianina


  • Alarobia 18 Jona 2014

Nifamotoana teny Anosy nanoloana ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ny fikambanana Hafari Malagasy omaly ho fanehoana fa tena mijaly ny vahoaka Malagasy eo amin’ny resaka ady tany. Fanamarihana nentin’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy tokony horafetina maimaika ny lalŕna momba ny fananantany.

Mila jerena manokana ny soatoavina tena Malagasy izay miainga foana any amin’ny ara-drariny ary mizotra mankany amin’ny ara-dalàna. Ny ara-drariny dia ny fampanjakana ny fifampitokisana eo amin’ny samy Malagasy, hoy ny tenany. Ny olana misy anefa dia mifanohitra foana ny ara-drariny sy ny ara-dalàna. Mahavelom-bolo ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena sy ireo mpamatsy vola vonona ny hiara-dalana amintsika. Manamafy ny Hafari Malagasy fa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna no zava-dehibe indrindra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Midika io fa tokony hifanaraka amin’ny tombontsoan’ny vahoaka ny lalàna izay hipetraka. Raha tsy maintsy ho tonga amin’ny fanalana ny mponina amin’ny toerana nonenany sy nohajariany, ohatra, dia soso-kevitry ny fikambanana ny hitondrana fepetra mifanaraka amin’izay. Nanamafy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa hiady hatramin’ny farany ny zon’ireo vahoaka madinika amin’ny resaka fananantany ny fikambanana HAFARI Malagasy. Tetsy Anosy omaly dia nisy andian’olona maro nilanja sorabaventy naneho ny hitadiavam-bahaolana manoloana ny nandravana ny trano sy nanilihana azy ireo tamin’ny tany nonenan’izy ireo. Nanamarika ny filohan’ny HAFARI fa hahery vaika hatrany ny hetsika fanairana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hotanterahin’izy ireo izay mbola hitohy eny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo rahampitso alakamisy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT