Nisy omaly ny fivoriana niarahan'ireo
mpikambana CTOJM na «Comité Transitoire de l'Ordre des Journalistes de Madagascar», izany hoe rafitra vonjimaika hitantana ny olafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, raha ny fampitàm-baovao voaray. Ivondronan'ireo solontenan'ny fikambanan'ny mpanao gazety mijoro ara-dalàna, hoy ny fanazavàna. Solontena izay efa nandrafitra ihany koa ny famolavolàna ny fanatsaràna ny "Loi sur la communication médiatisée 2020-006" na lalàna momba ny serasera amin’ny haino vakijery. Araka izany dia tetezamita natsangan'ny mpanao gazety manoloana ny fahalanian'ny fe-potoam-piasan'ny biraon’ny olafitry ny mpanao gazety malagasy na OJM ny 15 oktobra 2025 teo izy io. Rafitra vonjimaika izay natao hitantana ny fampandehanan-draharaha na "affaires courantes" sy ny fifidianana izay ho mpikambana OJM vaovao ary ho fiarovana ny mpanao gazety manoloana ny fanatanterahany ny asany, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.