OJM

«Hajao ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny zon’ny olom-pirenena »


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

omaly teo anatrehan’ny fanivanana mpanao gazety tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, fa azon'ny daholobe atrehina ny fivoriana ao amin’ny Antenimierampirenena, raha tsy hoe misy ny fangatahan’ny ampahefatr’ireo mpikambana hanao fivoriana mikaton-trano, araka ny andininy faha-77 amin’ny lalàmpanorenena. Nanamarika, fa lanonana azon’ny daholobe atrehina ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana. Porofon’izany dia maro ireo mpanaraka ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no nahazo nanatrika ny fotoana. Teo ihany koa ireo mpaka sary izay tsy mpanao gazety. Koa mahagaga araka izany ny fanapahan-kevitra hoe singanina manokana ireo orinasan-gazety mahazo na tsia manatrika ny lanonana tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, hoy ny OJM naneho fa fomba fiasa ny mampilaza mialoha amin’ny fanasana solontena avy amin’ny orinasan-gazety noho ny fandaminana, satria mety ho tery ny toerana. Nampahatsiahy ny andininy faha-11n'ny Lalampanorenana ny OJM fa zon’ny olom-pirenena ny mahazo vaovao, ary zo fototra izany. Antoka isitrahan’ny olom-pirenena izany zo fototra izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, sy ny fahalalahan’ny mpanao gazety mitrandraka vaovao marina sy marim-pototra. Ny andininy faha-7n'ny lalàna 2020-006 momba ny serasera amin'ny haino vaky jery, dia mametraka fa zon'ny mpanao gazety ny mitrandraka vaovao, tsy azo sakantsakanana, tsy misy fandrahonana, lavitry ny herisetra, ho amin'ny tranga mahakasika ny tombontsoam-bahoaka sy iankinan’ny fiainam-pirenena, hoy hatrany ny fampahatsiahivana. Naneho ny ahiahiny noho izany ny OJM amin’ny fiantraikan’ny tranga teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fanajana ny zo fototry ny olom-pirenena mahazo vaovao, sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa avy amina Andrimpanjakana mpanao lalàna, manaja lalàna, miasa eo anivon'ny Lapan’ny Demokrasia. Tsy voalohany fa efa nisy fanivanana ireo mpanao gazety, nosakanana tsy hiditra nandritra ny fanolorana ny PGE teny amin'ny Antenimierampirenena, ny volana aogositra lasa teo. Manome endrika ratsy ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ny tranga tahaka ireny. Nampahatsiahy ny OJM fa ny karatra maha mpanao gazety matihanina izay avoakany dia ahafahan’ny mpanao gazety rehetra miditra sy manatrika ireo “événements à caractère public” rehetra, ary koa ahazoany mitrandraka vaovao an-kalalahana manerana ny tany Repoblikan’i Madagasikara.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT