Actualités

OFMATA Mikatso fa tsy misy Tale Jeneraly


  • Talata 20 Oktobra 2020

Mpamboly 35 000 lasibatra, hetra 300 miliara Ar tsy miditra,… Namoaka fanambarana ny mpiasa rehetra ao anatin’ny OFMATA (Office Malgache des Tabacs), miaraka amin’ny Sendikan’ny mpiasa, izay miandraikitra ny tantsaha mpamboly paraky manodidina ny 35 000 manerana ny Nosy.

 

 

Nampahafantarin’izy ireo ny 16 oktobra lasa teo ary fa: mikatso tanteraka ny fampandehan-draharaha rehetra noho ny tsy fisian’ny Tale Jeneraly, izay “abrogé” na nofoanana ny 20 aogositra ny didimpanjakana nanendrena izany. Noho izany dia tsy voaloha ny vidim-parakin’ny mpamboly nanomboka ny volana aogositra ka hatramin’izao. Manodidina ny 741 taonina izany, kanefa mbola hitohy hatramin’ny aprily 2021 ny fandanjana paraky, ka mampitaraina azy ireo. Tojo tsy fahasahiranana tanteraka ihany koa ny mpiasa an-tsekika rehetra izay mihoatra ny 1000 isa amin’ny tsy fandraisana karama. Mikatso ihany koa ny fandoavan-ketra ho an’ny fanjakana to any “Impôt sur le revenu CNaPS,…” maherin’ny 300 miliara ariary isan-taona. Mikatso ihany ny famatsiana paraky amin’ireo “Fabriquants” izay manodidina ny 150 taonina, hoy ny fampitam-baovao. Notsiahivina fa araka ny lalàna manan-kery dia ny OFMATA irery ihany no miandraikitra, miantoka, mifehy ny voly paraky sy ny seha-pihaiana mifandraika aminy ero Madagasikara. Noho ireo antony ireo, dia misy fiantraikany ara-toekarena ho an’ny tantsaha, ny fabricants, ary ny firenena izao zava-misy izao, hoy ny fanambarana. Miangavy ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ireo minisitra mpiahy mba hanendry Tale Jeneraly vaovao ao anatin’ny fotoana fohy noho izany ny eo anivon’ny OFMATA, araka io fanambarana io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT