Ny tontolo andron’i….

PISOKELY MPANGATAKA ENY ANOSY Toy ny olona hivoaka hiasa isan’andro


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

Ny 47%-n’ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto amintsika no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa.

Ny 37% amin’ireo no mamelona ny ankohonany ka anisan’ireny i Pisokely, santionany amin’ireo ankizy mpangataka etsy Anosy. Nanaiky nitantara ny handaniany ny tontolo androny tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy. Nanomboka hoviana Pisokely no nangataka tety dia iza no maniraka anao ? Efa ela izaho no nangataka tety Anosy. Tsy misy maniraka aho fa noana dia mitady ny sakafoko. Tsy mianatra intsony aho. Dadanay sy Mamanay koa efa nisaraka nefa mbola miisa 3 ny zandriko. Amin’ny firy ianao no miala ao an-trano isan’andro dia mahazo ohatrinona ? Amin’ny 07 ora mahery eo aho no miala any an-trano isan’andro. Amin’ny 08 eo mantsy vao manomboka misy olona mandeha miasa ety Anosy hangatahana vola. Indraindray aho mahazo 10.000 Ar raha 4.000 Ar no kely indrindra. Indraindray aho mampiresaka olona vao mahazo. 100 Ar ny volakely omen’ny olona raha misy manome 2.000 Ar koa ny sasany. Dia omeko an’i Mamanay ny sasany hividiananay sakafo amin’ny hariva dia ny sasany hampirimiko. Aiza ianao no misakafo amin’ny atoandro dia amin’ny firy no mody amin’ny hariva ? Eny amin’ireo mpivarotra hani-masaka eny Anosy ihany aho no mangataka. Miandry le ambim-bary avy hohanin’ny olona ireny. Dia amin’ny 05ora hariva indray aho no mody sady miantsena mividy vary. Tsy avelan’i Mamanay mijanona intsony mantsy aho fa tsy maintsy mitondra vola sy sakafo mody,hono, amin’ny hariva. Ahoana ny hataonao rehefa faran’ny herinandro ? Sabotsy maraina aho mbola mandeha mangataka kah. Fa isaky ny Alahady no mba mijanona kely ao an-trano dia manasa lamba. Dia manasa loha sy mandro koa.
Pati
Legende : Pisokely anisan’ireo ankizikely mpangataka tena mahay mampiresaka olona eny Anosy sy ny manodidina eny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT