Hisy manomboka izao ny « Police des Mines » izay hitety vohitra mihitsy manerana an’i Madagasikara ka hitsirika ireo izay mpitrandraka tsy ara-dalŕna.
Diso hevitra izay manao ho fitaovana politika ny fizarazarana an’Antananarivo, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM Razoarimihaja solofonantenaina. Na hozaraina 10 aza ny renivohitra, hoy hatrany izy, dia tsy maintsy handresy eto foana ny TIM sy ny ankolafy Ravalomanana.
Manaiky ny drafitrasa amin’ny hizarana ho 6 an’Antananarivo renivohitra ny filohan’ny tetezamita, raha araka ny nambaran’ireo olona manodidina azy ary hanentana ny solombavambahoaka MAPAR eny Tsimbazaza mba hanaiky io soso-kevitra io.
Toy izao manaraka izao ny fiakaran’ny sarandalana ho an’ireo zotra nasionaly miainga eto Antananarivo manomboka ny 25 aogositra : Toamasina (23 000Ar ny minibus – 20 000Ar ny boieng). Mahajanga (37 000Ar ny minibus – 34 000Ar ny fiara lehibe). Antsiranana (74 000Ar). Antsohihy (46 000Ar). Ambanja (57 000 Ar). Marovoay (30 000Ar). Ambato Boeny (28 000Ar).
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.