Miha miseho masoandro ihany ny tena endriky ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Niala ilay hodi-janak’ondry ka miseho tsimoramora amin’izay ny maha bibidia ny mpitondra. Mampihoron-koditra ny zavatra re ataon’ny manampahefana sasany, fa sady tsy manao ara-dalŕna ny asany no mbola mameno ny paosiny ihany koa.
Olona noheverina fa raiamandreny azo nitokisana avy no manondrana mangalatra ny volam-bahoaka. Olona mba noheverina fa avara-pianarana ihany no indro fa misandoka diplaoma fa te hahazo toerana ambonimbony kokoa. Mbola resaka hafa ary mety hivoaka ho fanta-bahoaka tsy ho ela ihany koa ny risoriso amin’ny fandraisana mpianatra ao amina sekoly ambony iray eto Antananarivo eto. Fa dia tsy maintsy manao kolikoly foana ve izany vao mety ilay fiainana e ? Ny eny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena moa dia efa fantatry ny mpanao gazety ilay fiara mpitondra vola sy ny fotoana fisaodisaodiany eny Tsimbazaza eny. Tena potiky ny fahalovana ilay firenena, an-kavitsiana ny olona mba mijoro noho ny foto-kevitra. Ny ankoatra izay dia toa efa za-dratsy amin’ny resaka vola sy voninahitra, ka ny manao ny marina indray no toa voatondro molotra sy maloton’ny fosafosa manara-penitra. Averina eto indray ilay fanontaniana : fa inona moa izany izao no tombontsoa azon’ny malagasy tamin’ny fandrodanana ny fitondrana Ravalomanana e ? 5 taona izay no lasa fa mitombo isan’andro ny sahirana, resabe fotsiny ny an’ny mpitondra fa tsy misy vahaolana azo tsapain-tanana ka miantraika mivantana any amin’ny isam-batan’olona. Mijanona ho nofinofy ilay ady amin’ny fahantrana. Efa gidany i Madagasikara tsy nahatratra ilay tanjon’ny taona arivo fahatelo satria nopotehan’ny fanovan-drafitra tsy ara-dalàna. Ny fampihavanana ity tsy vita dia ny fizarazarana an’Antananarivo renivohitra indray no mahamaika ny sasany. Fa hopotehana mihitsy ve izany ilay renivohitr’i Madagasikara sa ahoana e ? Isaky ny misy fifandirana politika dia eto no mandriaka ny ra, eto no maro olona voaroba, eto no tena henjana ny herim-pamoretana sy ny fanapenam-bava. Ny holatra ity tsy mikatona tsara akory dia io fa tonga indray, manao ny ataony fery vaovao. Ka tsy efa famonoana ny vahoaka tsotra izao ve ity ataon’ny mpitondra ity e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.