Ny rano ao Antehiroka manontolo

mihitsy no lasa tapaka Hihaona amin’ny


  • Talata 04 Novambra 2025

JIRAMA ny tomponandraikitry ny kaominina

Namerina nanazava ny ben’ny tanànan’Antehiroka, Toky Harilanto Andrianarivelo, omaly fa ny rano teo Amboaroy dia tsy tapaka matetika fa telo andro kosa izay, izany hoe, nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny omaly, dia tsy nisy mihitsy. Ankilany, hoy izy, misy ny fiheveran'ny olona fa misy mamily mankao amin'ny tranon'i Ravatomanga ny rano. Andaniny, misy mihevitra fa misy manidy ny «vanne» eo amin'ny fitaovana mampiakatra rano eo amin'io toerana io ka izay no nahatonga ny olona nitokona. Vao maraina izy ireo dia efa nandoro kodiarana sy nanapaka lalana iny sabotsy iny. Ny nahatongavan'ny ben'ny tanàna teny dia ny hamaha olana sy nifampiresaka teo amin'ny vahoaka. Tsy mitovy amin'ny fahatapahan-drano toy ny mahazo ny rehetra, noho izany, ny ety fa olana tekinika manokana azo novahana sy nisy vahaolana azo atao. Izay no nanaovana antso avo tamin'ny JIRAMA. Sanatria dia sanatria ny ben'ny tanàna no andeha hitarika fitokonana. Miezaka manome vahaolana hatrany isika ary tena miara-miasa akaiky amin'ny JIRAMA hatramin'ny nandraisana toerana amin'ny alalan'ny fanoloana tsikelikely ireo fantsona efa antitra sy simba. Hitantsika ao amin'ny pejin'ny Kaominina daholo izany asa izany, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fampitàm-baovao voaray omaly hariva moa dia tsy ireo fokontany miisa 5 novatsian’ny teo Amboaroy fotsiny intsony ihany no tratran’izay fahatapahan-drano izay fa ny fokontany miisa 9 ao amin’ity kaominina ity mihitsy, izany hoe ny kaominina manontolo no nanjary tsy nisy rano ihany koa omaly. Nisy ihany koa tao anatin’izany ny fahatapahan-jiro. Hisy, noho izany, ny fihaonan’ny tomponandraikitry ny kaominina amin’ny tomponandraikitry ny JIRAMA, raha ny fampitàm-baovaon’ny ben’ny tanàna hatrany, ho fijerena izay vahaolana maharitra mikasika ity olana afitsoky ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA eny an-toerana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT