Ny Rado Rafalimanana

«Tsy sarotra ny famahana ny olan’ny delestazy»


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Ny fahamahana ny olan'ny delestazy dia tsy sarotra fa isika any Madagasikara

no manasaro-javatra, hoy ny mpandraharaha, Ny Rado Rafalimanana. Ny sampan'orinasa kelinay «AllianceEnergy LLC» ato amin'ny vondrona Nyroh, hoy izy, dia mifantoka ny vahaolana vonjimaika ho an'ny firenena misy delestazy. Any Guinea, ohatra, dia sambo mitondra herinaratra 254 MWatt no natao. Ohatra izao ito eto Dobay dia «Camion mobile» na kamiao mandehandeha mitondra herinaratra 2000KWatt. Raha io olan'Antananarivo io dia kamiao miisa 5 fotsiny dia foana ny delestazy. Vao tonga ny PIC dia velomina mandritry ny 3 ora ny 2000KWatts x 5. Toy izany koa ny isaky ny faritany. Vonona hifanome tanana ny tenako sy ny orinasako ho an'i Madagasikara na dia misy tsy fitovian-kevitra amin'ny poltika ankapobeny aza. Vahaolana ara-toekarena ho an'ny malagasy no jerena ary efa nanolotra izao vahaolana izao ho an'ny mpitantana ny Jirama izahay fa mety ilay hoe malagasy aho no tompon'ny orinasa ve no mety ho olana? Maro ireo firenena afrikanina hitondran'ny orinasantsika vahaolana toy izao fa indrisy tsy mba misitraka izany i Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT