Ny olan’ny JIRAMA tsy mivaha. Trosa mitentina 1400 miliara Ariary izany ve moa ho voavaha intsony,
hoy ny filohan’ny antoko politika H.E Mada, Toavina Ralambomahay, ho voavaha intsony? Jiro manjelanjelatra indray izany izao no andrendrehana saim-bahoaka isaky ny renivohi-paritany. Mamiratra ery tokoa izao aloha ny ao Morondava sy Mahajanga hatrao Toliara ao, raha ny sary efa miparitaka etsy sy eroa no ambara aloha. Tsy ho atao hahagaga intsony koa izany, raha toy ny efa fahita tao anatin’izay 5 taona mahery izay hatrany, fa hanjelanjelatra tsy hisy toa azy koa ny eto Antananarivo renivohitra fa tonga ny hoe Krismasy anaty fahazavàna na dia efa ahiana tsy ho avotra intsony aza ny hany orinasa tokana mpamatsy herinaratra eto amin’ny firenena, izay sady mbola heverina ho hany orinasam-panjakàna sisa misehatra amin’izay lafiny izay eto amin’ny firenena. Jiro manjelanjelatra indray aloha izany no handrendrehana saim-bahoaka mba hanadinoiny vetivety ny fahasahiranany an-davan’andro ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana ben’ny tanàna izay mamofompofona renivohi-paritany ho lasan’ny fanoherana izao, hoy ny filazan’ny filoha lefitra fahafito ao amin’ny antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, azy izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.