Ny mpitondra revo any amin’ny COP 28

Ny mpiaro tontolo iainana leo fanenjehana


  • Talata 05 Desambra 2023

Raha mbola revo amin'ny COP 28 ny any Dubaï ny Mpitondra,

dia mihasarotra kokoa noho ny hatrizay ny vesatra iainan'ireo mpikatroka amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ireo Tambajotran’ny Firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny tontolo iainana, Alliance Voahary Gasy, INDRI (Initiative pour le Développement, la Restauration Ecologique et l’Innovation), ny Transparency International-IM. Nahitsy izy iro nilaza fa « Aoka izay ny tsindry ara-politika atao amin'ireo mpisintona lakolosy eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana! » /. Mihatrika fampitahorana, antsonjay, famonjana izay miendrika tsindry amin'ny olompirenena mantsy ireo mpiaro ny tontolo iainana. Toe-javatra izay mifanohitra tanteraka amin'ilay filazana hoe « Madagasikara, nosy maintso » ventesin'ny tomponandraikitra mandritra ireo konferansa iraisampirenena samihafa. Takianay ny fandraisana andraikitra haingana mba hampitsahatra ireo fanitsakitsahana ny zo fototry ny olompirenena iharan'ireo. Tanterahana any Dubai hatramin'ny faha-12 desambara ny COP 28. Isak'ireo COP samihafa mifanesy, dia manao fanekena hiaro ny tontolo iainana ny solontenampirenena rehetra. Isan'ireny fanekena ireny ny tsy maintsy hiarovan'ny Fanjakana ireo mpikatroka ara-tontolo iainana kanefa, tsapa tao anatin'ny taona maromaro, indrindra ao anatin'izao rivotra politika ankehitriny izao, fa miharatsy ny toe-piain'ny mpiaro ny tontolo iaianana eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanambarana.
HETRAKETRAKA, TSINDRY, FANDRAHONANA, FAMONOANA,
Misesy ny tranga mampieritreritra: Any Atsimo, nahazo roa taona an-tranomaizina sazy mihatra noho ny fisolokiana sy fampiasana titra tsy ara-dalana i Thomas Razafindremaka avy amin'ny fikambanana Gny To tsy mba Zainy (GTZ) ao Ihosy, mpiaro tontolo iaianana sy mpisintona lakolosy momba ny trangana kolikoly ; any Atsinanana, voan'ny antsonjay sy ampihorohoron'ny mpanao fitrandrahana hazo tsy ara-dalana i Angélique Razafindrazoary avy amin'ny fikambanana Razan'i Vohibola Pangalanes, izay sady mitantana ny ala arovana Vohibola sy mpiaro ny tontolo iainana ao Atsinanana ao. Tsy heno izay mba hetsiky ny Fanjakana manoloana izany, hoy izy ireo. Imbetsaka norahonana i Rivonala Razafison avy ao amin'ny ACCE/AVG, noho ny fahasahiany nitoroka ireo mpitrandraka hazo sarobidy tao amin'ny tandavanala Zahamena Ankeniheny. Mbola manampy trotraka ny tranga mampalahelo nanjo an'i Attoumani Alily (2017) sy Henri Rakotoarisoa (2022), izay novonoina noho ireo fandraisany andraikitra hiaro ny zavaboahary, mbola tsy mihatra ny zo aman-dalàna, mandeha ny tsindry, mbola tsy voafidy ihany ny lalana enti-miaro ny Mpiaro ny zon'olombelona sy ny Mpisintona lakolosy,… hoy ny tatitra. Mamerina ny fitakiany maromaro amin'ny Fanjakana sy ny mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola ny fiarahamonimpirenena ka anisany ny fandaniana ny lalàna sy fampiharana ny fiarovana azy ny mpiaro ny tontolo iainana
Nanongonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT