Actualités

« Ny mitera-jaza maditra » Piesy teatraly vaovao holalaovin’ny Tropy Jeannette etsy Analakely


  • Talata 12 Aogositra 2014

Hiaka-tsehatra indray ny Tropy Jeannette ho fanohizana ny fanamarihana ny faha-85 taona niorenany. Tantara vaovao no holalaovina amin'ny alahady tolakandro (3ora) ny 17 aogositra 2014 izao ao amin’ny tranompokonolona Analakely. Andiana tantara fisehatra amin’ny vanim-potoana ankehitriny (pičce contemporaine) ity tantara ity, izany hoe tsy piesy kilasika izay nahazatra ny mpijerin'ny tropy Jeannette hatrizay.

. NY MITERA-JAZA MADITRA no lohatenin’ilay piesy, misy fizarana roa nosoratan'i Lija Ravaloson ary rindran-tsehatr'i Arilija. Tena avoitra tokoa ankehitriny ilay teny filamatry ny Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy hoe "Ny lasa tsy fanadino ny ho avy banjino". Sariaka izay mpisehatra vaovao ato amin'ny Tropy no hitana ny anjara fototra na ny “rôle principal" miaraka amin'I Valo sy tsiory ary Hasina. Eo amin'ny fizarana faharoa dia hametsovetso izay lasa tsy fanadino izay ny Tropy Jeannette ka hikalo ireo hira teatraly nampalaza an'Andrianary Ratianarivo sy Rasamy Gitara. Amin'ny maha-hira teatraly azy izany dia tsy kaloina toy ny fanaon'ireo mpikalo ireny karaza-kira ireny no hiangalian’ny Tropy Jeannette azy fa lalaovina mihitsy satria hira nalaina tao anatina piesy teatraly. Tsy afaka misaraka amin'ny tantaran'ny Tropy Jeannette ny Tranompokonolona Analakely, tao no nahitana matetika an-dry Jeannette, Rasoavololona Hélène, Rabaoarisoa, Rasamy Gitara, Ravaloson Charles, Armand Ratsimbazafy sns… ka izany no nifidianany azy hanaovana fampisehoana amin'ny izao fanamarihany ny faha-85 taonany izao, na dia tsy mbola tonga lafatra toy ny tao amin'ny Teatra Monisipaly Isotry taloha aza ny fitaovana fampiasa ao. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT