Actualités

Ny delestazy miha zava-doza Ny Jirama hampiditra jiro amina tokantrano 200 000...


  • Talata 23 Mey 2023

Namoaka serasera ny Jirama sy ny Minisitry ny Angovo Atoa solo Andriamanampisoa omaly 22 may, nanambara fa kaontera 5000 no hatomboka hapetraka amin’ity herinandro ity,

ao anatin’ny fanatanterahana ny ambara fa tetik'asan'ny Filoham-pirenena “branchement mora, jiro mora malaky”. Nambara fa efa Tonga eto an-toerana ny ampahany voalohany amin'ireo kaontera miisa 5 000 isa ary andrasana afaka herinandro vitsy kosa ny 20 000 sy ny manaraka rehetra. Nijery izany fitaovana izany teny amin'ny Jirama Ankadiaivo, Alasora ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran'Afo Solo Andriamanampisoa, ny mpikambana eo amin'ny Filan-kevim-pitantanana José Rasolofonantenaina sy ireo Tale Jeneraly mpisolo toerana eto anivon'ny orinasa JIRAMA, Rasoava Haingomampianina sy Rabarison Hery Tiana, androany. Amin'ity herinandro ity no hanomboka hametaka kaontera any an-tokantrano ny teknisiana ho an'ireo mpanjifa eto Antananarivo izay efa nahaloa ny “dévis” 30 000 Ariary, araka ny fanamafisana. Amin'ny herinandro ambony kosa no haparitaka any amin'ny faritra ireo kaontera. Tetik'asa natao hitsinjovana ny sarababem-bahoaka ny "Branchement mora", hoy ny Minisitra Solo Andriamanampisoa. Tsy voatery hanana taratasy fahazoan-dalana hanorina na permis de construire vao misitraka fa ireo rehetra nisoratra anarana ka voamarin'ny Fokontany. 30 000 Ariary ny sarany hisitrahana kaontera efa misy fahana 10kWh eny am-piandohana, taribian-jiro 30m, « kits » efa misy takamoa sy “prises” hahafahana mandefa fahitalavitra sy fitaovana hafa tsy mihinana herinaratra be loatra. 9 500 Ariary isam-bolana kosa ny vidin'ny fahana hoefain'ny mpanjifa avy eo. Tokantrano miisa 200 000 manerana ny Nosy no kendren'ny tetik'asa. Mifanindran-dàlana amin’ny fanaovana seraseran’io anefa, miha zava-doza ny fahatapahan-jiro manerana an’Antananarivo sy ny faritra maro manerana ny Nosy, tsy misy izay tsy mikaikaika. Sady misy delestazy ny atoandro no mbola mahery vaika ny alina. Potika ny ankamaroan’ny asa fiharian’ny olona mila herinaratra satria raha tokony hiodina sy hamokatra adin’ny valo isan’andro ohatra ny indostria madinika iray, dia adin’ny efatra sisa. Lasibatra ny “poissonnerie”izay simba hatramin’ny entana amidy, mikolay ireny mpanety sy mpanao volo ireny,… Mihena ny vola miditra fa ny faktiora tsy miova. Ny eo tsy voalamina sy tsy voakarakara, tsy mahatosika ny filan’ny vahoaka ny famokarana herinaratra, kanefa dia mbola sosohana vaovao fampidirana jiro an’hetsiny ihany. Asa halefa amin’ny inona izany ireny ? Aiza ilay fanenjeana ny mpitondra teo aloha tamin’ny delestazy? Moa tsy vao mainka zava-doza no mitranga ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT