Actualités

Ny anjara toeran’ny vehivavy faha-vazimba hatramin’izao Hovelabelarina etsy amin’ny arsivam-pirenena


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Amin’ny maha reny, vady, mpandalina tantara ny tena, hoy ny mpahaitantara, Fara Ratsaratoetra, dia mila omen-danja ny vehivavy amin’izao 8 martsa izao.

Izay, hoy izy, no anton’ny famelabelaran-kevitra ataoko ao amin’ny arsivam-pirenena etsy Tsaralalana ny 10 martsa izao. Ho ampahafantarina bebe kokoa ny fivoaran’ny fiainan’ny vehivavy nanomboka faha vazimba mandrak’ankehitriny. Nanao ahoana marina ny anjara toeran’ny vehivavy fa tahaka ny manao fijery miiba foana isika? Nanana anjara toerana lehibe anefa ny vehivavy. Ny fizarana voalohany no hiresahana ny fivoaram-piainan’ny vehivavy. Somary hijoro vavolombelona aho amin’ny fizarana faharoa mikasika ny fampivoaram-piainan’ny vehivavy. Eo ny fampivoaram-piainana eo amin’ny lafiny fameloman-tena, ny lafiny finoana, ny lafiny fanabeazana, ny lafiny ara-piarahamonina ary amin’ny samy vehivavy. Atao ny 10 martsa izy io satria isaky ny zoma moa no misy izay loha-bary an-dasy izay ao amin’ny arsivam-pirenena. Mila manova toetsaina isika amin’ny fijerena manokana ny vehivavy satria mendrika anjara toerana kokoa ny vehivavy. Izy no miantoka ny atsasa-manilan’ny mponina eto Madagasikara. Mifameno sy mifanohana hatrany ny lehilahy sy ny vehivavy raha ny tantaram-pirenena no jerena. Izy no manome taranaka ny vahoaka malagasy ary manabe ny zanany sy ny manodidina azy voalohany. Na amin’ny toeran’ny fanapahan-kevitra na amin’ny toeran’ny fitantanana eto Madagasikara dia ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy vokatry ny fomban-drazana sy ny kolontsaina tandrefana izay manao ny vehivavy ho toy ny fitaovana, indrindra, tamin’ny andron'ny fanjanahantany. Ny azo hanarenana azy voalohany dia fanomezan’ny vehivavy ohatra tsara. Mila mampiseho izy, na any anaty fiarahamonina na asa, fa mendrika ilay toerana. Manaiky ho azy ny fiarahamonina rehefa vitany izany, hoy hatrany ity mpahaitantara ity.
J. Mirija
Legende: Ny mpahaitantara, Fara Ratsaratoetra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT