Actualités

Ny Ampinga Namoaka mpianatra mpikabary miisa 60


  • Talata 23 Jona 2015

Navoaka tamim-pomba ofisialy ny alahady lasa teo, rehefa nianatra nandritra ny valo volana ireo mpianatra mpikabary andiany fanasina, nanovo fahalalana teo anivon’ny fikambanana mpikabary Ny Ampinga,

 

 tarihin’ny filohany Lalaina Mitahirifahendrena. Miisa 60 mianadahy izy ireo ka 60 taona no zokiny indrindra  raha fito taona ny zandriny. Nampiavaka ity andiany ity ny hamaroan’ny andriambavilanitra tao anatiny raha lehilahy hatrany no maro an’isa hatramin’izay. Ankoatra izay dia zatovo ihany koa ny ankamaroany, ireo karazan-taona tsy dia voasarika mihitsy hatramin’izay saingy resy lahatra ihany. Karazana kabary miisa telo no nianaran’izy ireo toy ny kabary am-panambadiana, ny kabary am-pahoriana ary ny kabary amin’ny resaka fanokanana fotodrafitrasa.  Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no namaranan’izy ireo ny fianarany. Ny solombavambahoaka Randrianarisoa Guy Rivo, lany tao amin’ny Boriborintany fahadimy no  ray mpiahy azy ireo izay tonga nanome voninahitra ny lanonana. Ny 04 novambra ho avy izao  indray no hiditra ny andiany manaraka  eny Itaosy sy ao amin’ny lycée teknika Alarobia izay marihina fa tsy handoavam-bola.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT