Mitohy hatrany ny ezaky ny Ampinga amin’ny fampianarana ny olom-pirenena rehetra ny kabary.
Hamoaka mpikabary 35 mianadahy indray izy ireo ny alahady ho avy izao, rehefa avy nianatra nandritra ny fito volana. Ao amin’ny lisea teknika Alarobia no hanatanterahana ny lanonana, manomboka amin’ny 2 ora folakandro. “Volamena” no anarana hisaloran’izy ireo, andiany fahenina, eo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 60 taona. Hanotrona azy amin’izany ireo 11 mianadahy izay mpampianatra mpikabary koa, nianatra nandritra ny 21 volana ny totaliny, havoaka amin’io andro io. Hampandroso eny ifotony ny teny sy ny soatoavina Malagasy no tena tanjon’izy ireo, hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny Iray volan’ny teny Malagasy hankalazaina mandritra ity volana jona ity. Tsara ny mampahatsiahy fa olona an-jatony ahitana ankizy, tanora, renim-pianakaviana, raim-pianakaviana no efa navoakan’ny Ampinga nanomboka ny taona 2011 nijoroany ara-panjakana teto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.