Ntsay Christian

Nanome voninahitra ny filoha Namibianina


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Nigadona ny tolakandron’ny sabotsy teo tao Windhoek, Namibie

ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, Ntsay Christian. Hisolo tena ny filohan'ny repoblika, Andry Rajoelina, hiatrika ireo fotoan-dehibe ho fanomezam-boninahitra ara-panjakana farany an'i Itompokolahy Dr.Hage Geingob, filoham-pirenena am-perinasa namibiana izay nodimandry ny 4 febroary lasa teo moa no anton-diany tany an-toerana, raha ny fampitam-baovaon’ny seraserany. Fiaramanidina manokana na «jet privé» no nitondra azy tany an-toerana, raha ny fampitan-tsary voaray iny sabotsy iny ihany. Somary naha lasa saina ireo mpanara-baovao moa tetsy ankilan’izay ny loko izay toy ny mifandraika amina sary famantaranana orinasana mpandraharaha malagasy heverina ho matanjaka indrindra eto amin’ny firenena ankehitriny. Fifandrifian-javatra ihany ve nefa sa tena izay tokoa? Inona no mety ho dikany, antony, hifandraisany? Tsetsatsetsa tsy aritra ihany saingy maha lasa saina!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT