Notondrahin’ny mpanampy menaka mangotraka

Simba tanteraka ny endrik’ilay renim-pianankaviana


  • Talata 21 Novambra 2023

Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny toeram-pitsaboana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay

 Renim-pianakaviana tsara tarehy manodidina ny 30 taona mahery eo ho eo, notondrahin’ny mpanampiny tamin’ny menaka mahamay tao Toamasina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mitazona toeram-pivarotana hani-masaka ity Renim-pianakaviana ity. Tsy fantatra mazava anefa izay nitranga ny 16 Novambra teo fa avy hatrany dia notondrahin’ilay mpanampiny tamin’ny menaka mahamay izy raha iny mbola variana tsara saika hanendy sakafo iny, andro voalohany izay marihina fa niasan’io tovolahy io tao aminy. Nitsoaka avy hatrany ilay tovolahy taorian’izany. Raha araka ny fantatra moa dia efa niasa tany amin’ny fianakavian’ity Renim-pianakaviana ity io tovolahy io talohan’ny niasany tao aminy. Mety ho lonilonin’ilay tovolahy tamin’ny fianakavian’ity Renim-pianakaviana ity ve araka izany no antony nanondrahany azy tamin’ny menaka mahamay sa fitsiriritana ? Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no tena hamaritra izany fa eritreritry ny mpanara-baovao avokoa izany rehetra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Simba tanteraka tahaka izao ny endrik’ilay Renim-pianakaviana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT