Vehivavy malagasy telo no nisy nanolana tatsy amin’ny nosy Maorisy raha araka ny tati-baovaon’ny www.lexpress.mu.
Nihaona sy nifampiresaka tamina lehilahy telo tao amina trano fandihizana iray i Sharon 21 taona sy ny reniny Micheline 42 ary tovovavy iray naman’izy ireo Clara 23 taona.Nilaza izy ireo avy eo fa naolan’ireto lehilahy ireto. Raha ny fandehan’ny tantara dia tany anaty trano fandihizana no nifankahitan’i Clara tamin’ireto lehilahy ireto, niresaka avy eo ary nanasa azy telo mirahavavy mba hiaraka hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany ny iray tamin’izy ireo ka mba hiaraka hifandom-bera kely. Nanda ny fanasana, raha araka ny fitantaran’izy ireo izy telo mirahavavy tany am-boalohany saingy nanaiky ihany avy eo rehefa hoe hividy sôkôla. Teo no nihakazaka amin’izay ny toe-draharaha satria taorian’ny fandalovana tamina fivarotana eny amina tobin-dasantsy iray ao GrandBaie – Maorisy dia noterena nentina avy hatrany tany amina toerana iray misy bungalow ireto vehivavy teratany Malagasy ireto ka tao no naolana. Nametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro ny filaminana Maorisianina moa izy ireo ary andrasana izay ho tohin’ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.