Nosy malagasy

Fahatsiarovana sisa ny fitakiana manetriketrika


  • Talata 12 Desambra 2023

4 taona katroka izay no nisian’ny fitakiana nanetriketrika ireo nosy malagasy na “Iles Eparses”

nampalaza ny fehezanteny niezinezina nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin’izay fotoana izay teny amin’ny CCI Ivato hoe “Rehefa tsy azontsika izao ireo nosy malagasy ireo dia tsy ho azontsika intsony!” sy ny nisian’ny valin-kafatra toy ny vara-datsaka avy amin’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, andro vitsy taorian’izay, rehefa nitsidika ny Nosy sambatra na “Île Glorieuse” ity farany hoe “Ici c’est la France” na koa hoe Frantsa eto. Ny 9 hatramin’ny 11 desambra 2019 isika, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian tamin’izay fotoana izay no hanao fakan-kevitra nasionaly hiverenan’ireo nosy ireo saingy inona akory no teo? Natao ny dinika saingy 4 taona aty aoriana, mbola ny firenena frantsay indray aza no mitandroka sy manamafy fa azy ireo nosy ary ho trandrahany. Fahatsiarovana sisa ilay fitakiana nanetriketrika sy fehezanteny niezinezina nijanona teo amin’ny tehaka nirefodrefotra nombam-pitsanganana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT