Actualités

Nosy-Be Niala tsiny tamin’ny mpanao gazety ny miaramila


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Mbola miady mafy ny Etamazaoron’ny tafika aty an-drenivohitra ary miezaka manamarina amin’ny andinin-dalàna samihafa fa ara-dalàna tanteraka ny hetsika nataon’ny miaramilany teo amin’ny ranomasin’i Nosy Be.

Tany Antsiranana kosa dia niantso ilay mpanao gazety voakasik’ity raharaha ity ny tompon’andraikitra ambonin’ny miaramila ary niala tsiny tanteraka. « Niantso ahy an-tariby ny manamboninahitra ambony iray manana andraikitra ambony koa ary niala tsiny tamin’ny zava-nitranga », hoy ny filoha lefitry ny Holafitry ny mpanao gazety ao amin’ny faritanin’Antsiranana, sady vavolombelon’ny zava-nisy no niharan’ny tsy mety rahateo. Raha tsiahivina, noterena ny mpandeha ny vedety iray saika hihazo an’Ankify raha niala teo Nosy-Be mba hanome ny findainy, ny tablette ary koa ny fakantsary. Anisan’izany ny mpizahatany izay tao anatin’io sambo io. Ny antony dia satria nolazaina fa naka sarin’ny sambo miaramila izy ireo. Tsy nisy nanaiky ny olona satria ranomasina sy ny manodidina azy no nalaina ary ny sambo miaramila dia tany amin’ny 600 metatra niala teo raha kely indrindra, sady eny ambonin’ny ranomasina ihany koa. Tamin’ny fanokanana an’io sambo kely io anefa dia nantsoina avokoa ny mpanao gazety sy ny mpaka sary ary nampahafantarina ny mombamomba azy. Niezinezina ny lanonana ary ny filoham-pirenena mihitsy no tonga tany an-toerana. Afaka naka sary avokoa izay nasaina, indrindra ny mpanao gazety. Volana vitsivitsy aty aoriana, rehefa eny ambony ranomasina ny sambo ka sendra azo sary (na tsia) dia nolazaina fa manohina ny tsiambaratelon’ny miaramila. Moa ve tsy an’ny olon-drehetra ny ranomasina ary koa ny mpizahatany ve tsy tokony haka sary izany rehefa eny ambonin’ny sambo ?

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT