Nosokajian’ny ONU ho faha-18 mijaly indrindra isika

Mbola hiaina famitaham-bahoaka anatin’ny 5 taona…


  • Zoma 21 Martsa 2025

Sarotra ny hanantena fahagagana amin’izao fitondrana izao ao anatin’ny 5 taona ho avy.

Efa mazava fa hiodikondina am-pitoerana eo fotsiny, tsy misy fivoarana azo antenaina fa famitaham-bahoaka no betsaka, raha tarafina amin’izay efa hita hatramin’ny 2009 izay. Miaina fahantrana lalina 80% amin’ny Malagasy, fa tsy hita taratra ny politika ara-toekarena mazava handresena ny fahantrana fa vao mainka mitombo aza. Vao navoakan’ny Firenena Mikambana omaly 20 martsa ny «World happiness report » na tatitra eran-tany momba ny fahasambarana ho an’ny taona 2025 izay mametraka an’i Madagasikara faha-130 amin’ny Firenena 147, izany hoe ; faha-18 fadiranovana sy mijary indrindra. Faha-123 isika tamin’ny 2024 izany hoe : tsy nitsahatra nihemotra hatrany, very toerana 7 be izao. Mason-tsivana tamin’io ny harin-karena (PIB) isam-batan’olona, ny fijerena ny sosialy, ny fanantenan-ko velona, ny fahalalana sy demokrasia, ny tondro momba ny kolikoly,… Navoakan’ny Afrobaromètre ihany koa omaly fa 80% izany hoe Malagasy 8 amin’ny 10 miaina anaty fahantrana. Henjana ny tsy fanjariana amin’ny herinaratra sy rano fisotro madio, izay 9% amin’ny mponina ihany no misitraka herinaratra vokarin’ny jirama amin’ny fotoana rehetra na amin’ny fotoana voafetra. 75% amin’ny Malagasy tsy nisitraka rano fisotro madio tamin’ny 2024,… Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Tsy tena misy politika ara-toekarena mahomby sy miteraka fanantenana, fa politikan’ny tsaky pôpy sisa. Fanatsaratsarana tena eo anatrehan’izao tontolo izao no zary entin’ny Fitondrana Rajoelina hanaronana ny tsy fahombiazany, izay hita taratra tamin’ny filazana fa tompondakan’ny indostria, tompondakan’ny fanjarian-tsakafo, grand baptiseur aty Afrika, mpitondra mendrika indrindra aty Afrika. Tsy tena taratry ny fiainam-pirenena sy ny zavatra iainan’ny vahoaka, fa zary lasa "marketing politique" na doka politika amboamboarina izay miendrika fanesoana ny Malagasy. Mionona amin’ny famatsiana fitserana izay mivadika ho fitaovana politika anjonoana vahoaka sisa fa tsy atokisan’ny mpiara-miombon’antoka firy kanefa efa nanarama cabinet vahiny toy ny Rothschild & Co tsy nisy fangaraharana,... Reharehan’ny mpitondra ny mandray sy mahazo ny famatsiam-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy FER (Facilité pour la Résilience et la Durabilité) izay 660 tapitrisa euros eo anatin’ny 4 taona, kanefa tena hoe: tohana noho ny fahantrana sy faharefoana ara-bola noho ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana amin’ny ady amin’ny fahantrana.
TSY ANTENAINA INTSONY
Tsy manana vahaolana intsony ny fitondrana Rajoelina, dia ny asa soa fanapena-maso, fizarana vola, vary, menaka, riz cantonais sisa no atao. Nikatona, na miala aina avokoa ireo orinasa vaventy, toy ny Jirama, Air Madagascar, Secren, hoy ny mpanao politika iray. Tsy hita taratra eto Madagasikara ny asa famokarana mahomby fa toa sehoseho politika sy bizina no betsaka, tsy misy politika fampitomboana harin-karena. Ny asa fitrandrahana harena ambony, ambanin'ny tany, an-dranomasina, izay tokony ho fanohitra ara-toekarena tena saika lasan'ny vahiny, ankoatran'ny ampihimamba ataon'ireo mpandraharaha akaiky fitondrana. Mbola ny kolikoly sy ny bizina maloto aza no betsaka, toy ilay raharaha nahasamborana ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha izay nohelohin’ny Fitsarana Britanika,... Ny tena zava-doza, raha manomboka miova ny lamina ara-pitantanana eran-tany, mitodika kokoa amin’ny fahaleovantena ara-toekarena dia toa tsy hita taratra mazava ny lalan-jotra hitondran’ny Fitondrana volomboasary an’i Madagasikara, fa toa zary lasa fitantanana miorina amin’ny Facebook, tsy hita hoe: mizotra mankaiza hany ka miha potika fa tsy miha mivoatra ny Firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT