Ny Fanjakana Malagasy mihitsy no nangataka ny hanatonan’ny "Federal Bureau of Investigation"
na FBI eto Madagasikara, hanao fanadihadiana amin’ny raharaha mahavoarohirohy momba ny fiaramanidina Boeing 777 dimy mitondra laharana malagasy izay tonga any Iran, ao anatin’ny fanitsakitsahana mazava ny sazy iraisam-pirenena, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambara fa misy mpandraharaha ara-toekarena tafiditra amin’ity aferana boeing ity, ka nilazany fa adidintsika ny mamantatra izany. Efa eto raha ny filazany ny mpanao fanadihadian’ny FBI, saingy andrasana ny mety hisiana antsipiriam-baovao misimisy kokoa mikasika ireo iraka, ny votoatin’ny fangatahana nataon’ny Fanjakana,... Nambara fa misampana amin’ny lafin-javatra maro ny fanadihadiana ka ilaina manampahaizana manokana avy amin’ny FBI. Ny lojikany ihany koa amin’ny maha tafiditra anaty heloka iraisam-pirenena azy, dia heverina fa mety handeha tsy voizina ny fanadihadiana ataon’ny Amerikanina amin’ny maha mpifanandrina mivantana ara-jeopolitika, politika, stratejika azy an’i Iran. Na tiana na tsy tiana, tafiditra mivantana na ankolaka amin’io ny Fanjakana Malagasy amin’ny maha raharaham-panjakana ny dingana samihafa tao anatin’ity raharaha ity. Nilaza ny Praiminisitra fa hanao ny ezaka rehetra amin’ny fangaraharana amin’ity raharaha ity ny fanjakana ka tsy maintsy hampafatarina amin’ny vahoaka Malagasy ny vokatry ny fanadihadiana. Tsy azo ekena, hoy izy, ny fanimbana endrika an’i Madagasikara amin’ireo tetidratsin’ny sasany. Vao nanomboka anefa ity raharaha ity dia efa nofatoran’ny teny nataony ny ankamaroan’ireo olom-panjakana. Ny Minisitra nesorina Valery Ramonjavelo nilaza tao anatin’ny taratasin’ny ACM fa tsy mahalala sy tsy nampahafantarina an’io, saingy nalentiky ny Tale Jeneralin’ny ACM hoe : « noho ny baiko avy aminao ». Ny fanambarany natrehan’ireo Minisitra misahana ny filaminana miisa 2 sy ny Tonia mpampanoa lalàna, izay midika fa nahazo alalana na toromarika avy amin’ny Praiminisitra sy ny Filoha. Dia iny nivoaka tamin’ny fahanginany iny indray Atoa Valery Ramonjavelo, nanao karazana fiaikena fa tena tsy nampahafantarina an’io ny Filoha sy Praiminisitra, saingy niaro tena ihany koa fa nanaraka ny lalàna sy fitsipika manan-kery ny zavatra rehetra nataony. Tany aloha milaza tsy mahalala, ary maneho fa voafitaka ny Fanjakana Malagasy, aty aoriana miteny fa nanaraka lalàna tao anatin’ny zavatra nataony. Dia toy izany ihany koa ny an’ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay nilaza fa tsy nahalala an’ilay Indianina Khushwinder Singh raha tsy vao haingana, kanefa nivoaka ny sary efa hatramin’ny 2019,… Dia io fa toa ampangain’i Lalatiana Rakotondrazafy ankolaka hoe : « na ny fisian’izany atao hoe « conseiller bénévole » izany ao aminay aza tsy fantatro raha tsy ny Filohanay tao no niteny hoe hay misy izany, noho izany dia tena te hahalala mafy tompoko ka mba miangavy avoahay ilay porofo fa aza iandrasana ela e, miangavy mafy eee". Sinema no betsaka !? Dia mangarahara inona no antenaina amin’ny toy izany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.