NOKOPAHAN’NY AKOHOLAHY

Zaza 5 taona nibora-tsinay tany Mananara Avaratra


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Zazalahy kely iray vao 07 taona monja no fantatra fa nikopahan’ny akoholahy mpiady iray

tampoka ka niboraka ny tsinainy. Tao amin’ny Fokontany Fontsimaro, kaominina ambanivohitr’i Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra no nitrangan’izany ny Alakamisy 30 Janoary lasa teo. Nilalao ary nanatona io akoholahy mpiady io ilay zaza hoy ny loharanom-baovao. Tombanana ho noheverin’ilay akoho ho mpifaninana aminy izy nandritra izany ka nikopahany indray mandeha. Tsy afa-nihetsika ihany koa ilay zaza nandritra izany. Tombanana ho ny fantsin’ilay akoho moa no nahazo ny kibony, antony nampiboraka ny tsinainy. Na izany aza efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay zazalahy kely. Tsiahivina fa ankoatra ny kibo dia anisan’ny arovana mafy amin’ny akoholahy mpiady tahaka ireny ny maso mba tsy ho sanatria ho kaikeriny ka mety hiongotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana : Mety hamono tampoka ny akoholahy mpiady ka tokony hotandremana ny manakaiky azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT