Actualités

Noho ny fiandrasana solika Raikitra ny delestazy mifandimby ao Ambatondrazaka


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

“Noho ny fiandrasana ny famatsiana solika dia manolotra ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana amintsika mpanjifa

ny JIRAMA fa hisy ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Ambatondrazaka manomboka anio 12 aprily 2023 mandra-pahatongan’ny famatsiana solika manaraka”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Jirama Ambatondrazaka niarahany nanao tamin’ny Prefe any an-toerana. Nambara rahateo fa fanapahan-kevitra niarahana nanapaka tamin’ny manam-pahefana ao an-toerana io. Raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao hafa, dia efa lany ny anjara solika na “quota” ka dia miandry ny manaraka indray. Ireo tobim-pamokarana any amin’ny manodidina no miantoka ny fampandehanana nanomboka andro vitsy, ka antony tsy maintsy hampifandimbiasana ny fahatapahana satria tsy miara-voatosiky ny tanjaky ny herinaratra ny rehetra. Voalaza anefa fa tsy hisy ny fahaizinana tanteraka na “black out” ao Ambatondrazaka, ary efa mitady ny vahaolana sy ny fanafainganana ny famatsiana solika. Tsy tranga vaovao amin’ny any faritra ny resaka olana ara-tsolika amin’ny fanodinana ny Jirama tahaka izao. Sao sanatria misy fifanolanana avo lenta amin’ireo mpandraharaha mpamatsy solika indray? Tsy efa fantatra ve ny fandaniana mahazatra no lasa misy hoe: fahatarana? Olana tsy nahy sa sanatria ho olana mitohy indray? Hatramin’izao mbola olantsika foana ny resaka herinaratra kanefa vao ny 15 hatramin’ny 20% amin’ny tokantrano Malagasy no misitraka izany amin’ny sarany tena midangana dia midangana! Manahirana ny angovo miainga amin’ny milina mandeha amin’ny solika, izay manaporofo fa mila mihazakazaka amin’ny angovo azo havaozina I Madagasikara.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT