Actualités

Noheverina ho mpangala-jaza Saika matin’ny olona ilay ramatoa


  • Talata 19 Aogositra 2014

Ny tondro molotra tsy misy porofo indraindray mety hamoizana ain’olona. Ramatoa iray efa mamomamo, nolazaina ho mpangala-jaza no saika matin’ny daroka, ny alahady hariva teo, tao Mahavatse Toliara.

Nisy ankizy mianadahy valo taona ny lahy ary dimy taona ny vavy ka ity farany tsy hita tamin’io andro io, rehefa avy nijery fifaninanana hazakazaka moto nandalo tsy lavitra ny trano fonenan’izy ireo. Nody ilay zokiny nanaitra ny reniny, ka rehefa nofotorana izy dia nilaza fa nahita ramatoa iray nibeda ny zandriny.

Nirintona nivoaka ny trano avy hatrany io renim-pianakaviana io ka niantso vonjy tamin’ireo mpifanolo-bodirindrina ary raikitra avy hatrany ny fitadiavana eran’ny tanàna. Tao no nandeha niverina teny amoron’ny arabe mba hijery sao niampita arabe io zazavavikely io. 20 minitra taorian’io, hita ihany ilay zaza noheverina fa very izay niverina niara-nilalao tamin’ny namany tsy lavitra ny trano fonenany rehefa vita ny zavatra nozahany. Ilay ramatoa nosoketaina ho mpangala-jaza kosa amin’io efa nisy nidaroka nefa mbola ningonongonona ihany. Olona sendra nandalo nahafantatra azy no nilaza tamin’ireo andian’olona teo fa tsy salama saina io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT