Nohalefahana ny fepetra momba ny hamehana, raha haravona ny valan-dresaky ny Filoha Rajoelina omaly. Ho an’ny Faritra Antsinana,
dia tapitra tanteraka ny fihibohana, afaka miverina amin’ny fiainana andavanandrony ny mponina ao Toamasina I-II, kanefa arahi-maso ireo tranga mampiahiahy, ary raisina an-tanana ny tranga. Ho an’Analamanga, dia miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro ny eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Moramanga. Miverina miasa hatramin’ny 5ora hariva ny rehetra. Mahazo miasa ny tsy miankina fa tsy maintsy mampiasa ny fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana, ary mandamina ny fitaterana. Afaka misokatra amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 5ora hariva ny tsenam-pokontany fa olona iray ihany no tokony hivoaka, mila diovana ny tsena. Tsy maintsy manao aro-tava rehefa mivoaka ny trano, ka voasazy izay tsy manao. Tsy tokony hivoaka sy hivezivezy eny an-dalambe raha tsy misy antony mazava. Mbola mikatona ny zotra nasionaly na mivoaka na miditra an’Analamanga. Hojerena ao anatin’ny 15 andro manaraka ny fivoarany, ka miankina amin’izay ny hamelana hiasa ny taksibe. Afaka miverina miasa ny fiarakaretsaka, ka olona 3 ihany raha be indrindra no azo entina, ary tsy maintsy fendrahana fanafody isan’andro. Afaka mitondra fianankaviana iray ho an’ny moto. Tsy mbola azo atao aloha ny mitondra razana mivoaka ny faritra. Miverina miasa ny mpiasam-panjakana rehetra manomboka anio alatsinainy. Misokatra ny “restaurant” rehetra, fa manaja ny fepetra ara-pahasalamana ary tsy tokony hihoatra ny 50. Tsy miasa ireo olona marefo, ary tsy azon’ny mpampiasa tapahana ny karama. Ny sakana ara-pahasalamana dia mivadika ho “barrage sécuritaire” izany hoe tsy hisy mpitsabo intsony. Eto Analamanga, tazonina ny tsy fahafahana mivoaka ny faritra. Tsy afa-mivezivezy amin’ny 8 ora hatramin’ny 4 ora maraina. Dinihin’ny Minisitera sy ny CCO ny any amin’ireo faritra sasany, toa an’I Boeny, Matsiatra Ambony, Betsiboka,… izay mety tsy hitovy ny fepetra. Voarara ny fivoahana sy fidirana ireo faritra. Hamafisina ny famantarana ny tranga any amin’ireo faritra. Iraisana manerana ny Nosy ny fahafahana mandray fepetra isan-karazany raisina eo anivon’ny CCO. Voarara ary tsy azo atao ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50, mikatona ny toeram-pandraisana lanonana, toeram-panaovana fanatanjahantena, tsy mbola misokatra ny sidina anatiny. Malalaka ny fitaterana ny entana.
Tsy misokatra ny sekoly, fa ny fanadinana kosa tsy maintsy hisy. Mandinika ny fomba hanatanterahana izany hifanaraka amin’ny programa vitan’ny mpianatra ny fitondram-panjaka, hoy i Andry Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.