NOFY RIRININA...

Ho ajanona hono ny fantanterahana ny “teleferika” fa


  • Alakamisy 02 Mey 2024

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

 Satria dia azo lazaina fa mifanakaiky tanteraka ny sandan’izany vina roa izany fa ilay iray rendrarendra tanteraka fa ilay rano fisotro madio kosa dia mamelona aina hatramin’ny zaza mena vava ka hatramin’ireo ray aman-dreny. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia trosa mitentina 180 tapitrisa dolara eo no ho laniana amin’ilay teleferika nefa dia tsy hitondra afa tsy bika ho an’ny firenena izay efa tsy mitsahatra mihemotra amin’ny lafiny maha olombelona. Dia gaga isika hoe vaovao tena marim-pototra ve izany? Tsia. Ny alina efa manomboka mangatsiaka ka Tonga ny nofy ririnina e. Taitra tampoka aho tamin’ny 4 maraina iny, nojerena ny rano toa tapaka efa hatramin’ny omaly ka indro ireo mpiara monina maro be efa mandahatra ireo “bidon jaune” ery amin’ny paompy. Indrisy mantsy ry fireneko, nofy ihany no hifaliako aminao satria ireo mpitondra antsika dia tsy mihevitra afa tsy ny voninahitra, tsy mijery izay tena olana fototra.
TIA TANINDRAZANA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT