NOFY RIRININA...

2 taona lasa teo izay ilay hoe :


  • Zoma 03 Mey 2024

voahosotry ny big win philantrophy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo ingahy Filoham-pirenena Malagasy.

Toa anaram-boninahitra naneso sy fandrisihana hiezaka rehefa zohiana ! Isika aza moa dia tena velom-panontaniana hoe : tena marina sy mitombina ve izany ? Sao dia anaram-boninahitra novidiana tany ambadika tany ? Dia mba maro ihany no nieritreritra fa tena ho ara-bakiteny tokoa amin’izay ilay hoe : hovokarintsika eto an-toerana ny zavatra ilaintsika, tao ny nieritreritra fa mba efa tonga saina sy nanongo tena tamin’ny fireharehana fa ny fanafarana vary no antsoina hoe fandrosoana ary tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Dia tena nieritreritra fa hanomboka eo dia homena sehatra sy hanompanana vola ny famokarana,… Dia ny tena no menatra, fa hay mbola nofy ririnina ihany koa kanefa mba efa nieritrerira fa tonga eto Gasikara i Kagame kely faharoa satria moa i Paul Kagame Filohan’i Rwanda dia tonga saina tamin’io adin’i Ukraine io, fa tsy firenena tahaka an’io tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona an’i Afrika misy mponina 1 miliara mahery. Vokany dia betsaka ny vola naompany amin’ny famokarana, ary fanambiny ny hahalaleo tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025. Taitra tampoka aho, fa hay aho mbola eto Gasikara, hay ny azy ny tsy fanjarian-tsakafo afaka 20 na 30 taona hono farafahabetsany dia ho resy. Nitsamboatra tampoka aho hoe : sao mba diso firenena ary aho izany ? Hay kay nofy ririnina nifanojo, ka hoy aho hoe : haniry manitra ohatran’ny alika miambozon-koditra lava eto ve sa mba hifoha amin’ny torimaso amin’izay handray anjara hanova ny tantara ?
TIA TANINDRAZANA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT