Nahatratra 133 isa sahady ireo zazavavy kely sy tovovavy ary vehivavy
voaolana tamin’ny volana Janoary lasa teo raha mitontaly 600 isa izany tamin’ny taon-dasa. Saika nahitana izany tranga izany avokoa teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra ka fantatra fa vao 2 taona monja no zandriny indrindra. . « Ny firenena Malagasy dia firenena manana ny fiandrianany, manana fahefana hanova ny lalàna ao aminy. Ny filaminam-bahoaka dia tsy maintsy tandrovana ho tombotsoan’ny daholobe. Tsy ampy hampihemotra ireo olona hanao ny fanolanana ny lalàna efa misy. Hamafisina araka izany ny lalàna ampiharina amin’ireo mpanolana ho fametrahana tombontsoa iombonana. Hihemotra kokoa ireo olona hanao ny heloka », hoy ny Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Hohamafisina araka izany ny sazy hihatra amin’ireo mpanolana raha araka ny fanazavan’ny Minisitra. Raha asa an-terivozona mandritra ny 5 taona no nahazo ireo lehilahy tratra nanolana zaza latsaky ny 10 taona teo aloha dia fantatra fa asa an-terivizona mandramaty no miandry azy ireny ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpamerin-keloka sy ireo nanao fanolanana faobe na tao anatin’ny fianakaviana iray. Mihatra avy hatrany io lalana io hoy ny Ministra fa tsy ankitsitsy intsony. Notsiahiviny ihany koa moa fa arahina famosirana ilay lehilahy mpanolana…. izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.