Fiarovako ny aiko no tsy nilazako ny diako ! Soa ho an’ny Firenena dia tany Dubaï»
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly eo anatrehan’ny resabe voizina mikasika ny diany tany Dubaï. « Matoa aho nandeha tsy nilazalaza ny fialako teto dia fiarovako ny aiko satria mbola misy olona te hifofo ny aiko », hoy ny valin-teniny. Tsy fantatra hoe aiza ilay olona te hifofo ny ainao, fa mila mialo foana, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy izy irery no Filoham-pirenena no mandeha mangingina eran’izao tontolo izao, fa betsaka ny mandeha mangingina rehefa misy zavatra tsy atokisany toa ny Filoha Amerikanina nandeha tany Iraka tamin’izany, ny Filoha frantsay Emmanuel Macron izay nisy fotoana tsy miteny raha tsy efa tonga any amin’ny toerana nalehany. Nanao tatitra kosa ny Filoham-panjakana fa maro ny olona nihaona taminy, nisy princes héritiers miisa 2, princesse héritière 1, nisy mpampiasa vola na « investisseurs » maro, ary zavatra mahatsara ny Firenena no naleha tany. Isan’izany ny fisian’ny olona manana «logiciel » na rindram-baiko hahafahana manara-maso ny ladoany sy ny seranam-piaramanidina isa-minitra. Raha tanteraka io dia eto amin’ny biraoko aho dia mahita ny zavatra misy, ny fihetsiky ny vola rehetra. Io no nifampiresahana tamin’i Erik Prince fa tsy resaka blackwater sy asa fampihorohoroana, araka ny resaka iniana ahely, hoy izy. Mbola anatin’ny fifampidinihana ny hahatanterahan’io na tsia. Momba ny filazana fa nitondra volamena izy, dia avoahy daholo ny porofo raha misy, hoy izy, fa ny volamena rehefa tonga any dia daholo. Teo ihany koa ny fifampiresahana amin’ny handefasana tanora hatrany amin’ny 5000 hiasa any izay anatin’ny fifampidinihana saoholazaina fa manao kobaka am-bava. Mbola ho avy aty ireo mpiara-miombon’antoka raha ny nambarany. Fa ny tena zava-dehibe ho antsika raha tanteraka, araka ny filazany hatrany, dia ny teknolojia vaovao mamadika rivotra ho rano raha tanteraka. Ny fifampiresahana hafa fahaefatra, dia ny fananganana ny « banque minéral » sy ny « raffinerie d’or » hanaraha-maso ny fivoahan’ny volamena. Hisy « protocole d’accord » ka raha misy volamena tonga any kanefa tsy mahazo taratasy avy amin’ireo « banque minérale » sy banque centrale ohatra dia haveriny aty satria hita daholo ny volamena rehefa tonga any.
TENA MISY TETIKA FANAKORONTANANA
Miteraka adihevitra ny fisavana mandeha amin’izao. « Izahay mahalala fa misy fitaovam-piadiana tafiditra eto Madagasikara, misy « trace », misy taratasy milaza an’io ka izay no anton’ny fisavana, hoy ny Filoha. Misy fanakorontanana sy fikotrehana ady an-trano eto ny tian-dry zareo hatao, ka izay no hiadianay hatramin’izao, hoy hatrany izy. Momba fanakianana ny tsy fanatrehany ny « concertation nationale » dia notsoriny fa mbola tany Dubai izy, saingy zava-dehibe aminy ny fikaonandoha, ary mbola misy zavatra hatao manaraka an’iny izay ho an’ny tanora, raha ny nambarany. Tsy nolaviny ny mety mbola hisiana fivoahana any ively satria tsy hahavita tena irery isika, hahafahana mitady fiaraha-miasa, ahafahana mitady làlam-bola malaky.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.