Actualités

Nivoaka ny fonja I Haingo Paradis Miantso ny rehetra hiady amin’ny fahantrana


  • Talata 24 Oktobra 2023

Taorian’izay 6 volana nitazomana azy am-ponja izay dia nahazo fahafahana vonjimaika ilay mpandinika

 fiarahamonina sady mpisehatra sosialy, Haingo Paradis, raha ny nambarany tetsy amin’ny Restaurant Tsika Ambohijatovo omaly. Ny 17 novambra izao kosa no andeha ny fitsarana azy. Nisaotra ireo rehetra nanohana sy nitrotro am-bavaka azy tao anatin’ny fotoana sarotra nodiaviny izy, indrindra, ny FFKM izay nitaiza azy ara-panahy tany am-ponja. Fanontaniana, hoy izy, no napetrako tanatina fahitalavitra tsy miankina iray ary izay no antony nisamborana ahy ka nidirako am-ponja vonjimaika ny 29 aprily teo. Notsaraina aho taorian’izay ary dia nangataka fanemorana izany fitsarana izany ho amin’ny 17 novambra moa ny minisiteran’ny fahasalamana. Zava-dehibe ny fifamelana ary dia namela heloka avy hatrany ny tenako. Miantso ny mpiray tanindrazana mba ho tony satria tsy mora ny lalovana. Saika noho ny fahantrana avokoa no nampiditra ny malagasy any am-ponja. Maika dia maika ny fanarenana ny lafiny sosialy. Mila asa ny vahoaka. Hijoro ho olompirenena tomponandraikitra ny tena manomboka eto ary hanangana ny Haingo Paradis Madagasikara izay hiantsoana ny tsy an’asa rehetra manerana an’i Madagasikara. Efa mitsangana ny any Toliara sy Antsiranana. Ny eto Antananarivo ihany koa. Miantso ny rehetra tsy an’asa sy ireo mikarama latsaky ny 500.000 Ariary mba hivondrona hiady amin’ny fahantrana. Ny fampananan’asa ny tanora no tanjona, hoy hatrany i Haingo Paradis sy ny ekipany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT